Burkina Faso : Manomboka voavaha ny olan'ny rano an-drenivohitra

  • dimanche, 28 février 2021 13:33
  • Tigre
  • Sary nindramina

République de Haute Volta teo aloha no lasa Burkina Faso ankehitriny, na koa azo adika hoe « Pays des Hommes intègres », firenena afrikanina tandrefana, tsy misy ranomasina, avaratra andrefan'i Bénin, atsimon'i Mali, avaratry Côte d'Ivoire sy Ghana, manana mponina 20 tapitrisa eo (2018).

273 800km² ny habeany (atsasany latsaka amin'i Madagasikara 587 000km² ny tany, ary 1 200 000km² miaraka amin'ny ranomasina ZEE), zanatany frantsay, nahazo ny fahaleovan-tenany ny 05 aogaositra 1960, novaina ho Burkina Faso ilay anarana Haute Volta ny 04 aogostra 1984 tamin'ny andron'ny Revolisionera Thomas Sankara.

Fitondrana régime preésidentiel i Burkina, Ny Filoham-pirenena no filoham-panjakana sady lehiben'ny governemanta.

715.12 $USD ny harikarena isam-batan'olona, amin'ny fitombon'ny harikarena faobe 6.8% ny taona 2018.
Tsy manana harena ambanin'ny tany firy izy ankoatran'ny volamena, fa 80% n'ny harenany dia ny fambolena sy fiompiana izay hifaharan'ny fandrosoany. Mitana ny laharana 144 izy amin'ny firenena 157 maneran-tany. Eo amin'ny 40.1% n'ny mponina no ambanin'ny taham-pahantrana.

Renivohitra Ouagadougou, misy mponina 2 tapitrisa eo, renirano tokana, sady maloto no hany ananan'izy ireo, ao Loumbila 20km miala ny renivohitra, izay nanisy lavadrano maro manodidina sy tao anaty tanàna, fa tsy nahavoavaha ny olon'ny tsy fisian-drano an-drenivohitra.

Namorona izy ireo, niaraka tamin'ireo mpamatsy vola, indrindra fa ny Banky iraisam-pirenena, sampan-draharaha manokana momba ny rano,ivondronan'ireo mpisehatra momba ny rano, na miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana, Office national de l’eau et de l’assainissement (ONEA), izay ivondronan'ny orinasa misy petra-bolan'ny fanjakana sy ireo orinasa tsy miankina, manana ny fitantanany mahaleotena.

Niainga tamin'ny vola 266 tapitrisa dolara izy ireo, ary nosoloina avokoa ireo fantsona mitondra rano, navaozina ny fampidiran-drano isan-trano, ary nezahana ny fitantanana sy fanefana ny rano, ka ny 97.7% ny mpanjifa dia mandoa vidin-drano takatry ny maro ihany koa.

Ny taona 2016, dia olona 610 000 no misitraka rano madio tonga ao an-trano ao Ouagadougou Renivohitry Burkina Faso, ary ny sekoly dia mahazo rano avokoa ny ankamaroany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.