RN13 : Hovitaina ihany ve sa tsia ny asa ?

  • vendredi, 15 janvier 2021 09:58
  • Balita
  • Sary nindramina

Hiala tsy hanao politika intsony ny filoha Andry Rajoelina raha tsy vitany ny lalana RN13 Tolagnaro-Ihosy, araka ny teniny izay nanakoako tokoa tamin’ny taon-dasa.

Mbola namafisiny tamin’ny kabariny ny 31 desambra 2020 teo fa anisan’ireo tetikasa goavana hatomboka amin’ity taona 2021 ity ny fanamboarana izany lalam-pirenena izany.

Angamba ho ny talata faha-19 janoary izao no hambara amin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny asa.
Hatao any Tolagnaro amin’io andro io mantsy ny fanombohana ny fambelonkazo manerana ny nosy amin’ity taona 2021 ity.
Mety ho lanonana maro sosona no hisy any an-toerana amin’io andro io.

Anisan’ny mampijaly ny mpampiasa lalana raha iny RN13 iny manokana.
Ankoatra ny faharatsiany dia manao ny ataony ihany koa ny afitsoky ny asan-dahalo sy ny jiolahy, izay mampalaza ny any Atsimo.

Amin’izao indray dia misy ny tiomena izay manototra ny ampahan-dalana eo anelanelan’Ambovombe sy Tolagnaro.
Tototra hatrany amin’ny antsasa-metatra ao anaty godram-bovoka (fa tsy godram-potaka) ny arabe ka fahoriana ny fandehanana eo aminy.
Misy aza ireo izay tena tototra lalina mihitsy.

Nanampy trotraka ihany koa ny fahatapahan’ny tetezana ao Manambaro, izay tsy maintsy nanaovana lala-mihodidina hatrany amin’ny 8,5 km.

Niteny ny loholona Rakotovazaha Olivier omaly alakamisy fa efa nahita lalam-bola hamatsiana ny fanamboarana ny RN13 sy ny RN10 Ambovombe-Andranovory Toliara ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2007-2008.

Rava maina noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 anefa izany, hoy izy.

Ny zavatra tsikaritray avy any Atsimo any dia miongana foana izay filoham-pirenena sahy mikitikitika iny RN13 iny, hoy ny namana mpiasa amin’ny sehatry ny fampahalalam-baovao zanak’Androy iray.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.