Volamena 73.7kg : Fantatry Antananarivo tsara fa ho any, ary niverina avy Johannesbourg ilay fiaramanidina

  • mardi, 12 janvier 2021 10:05
  • Super User

Mitohy ny fanadiadiana mikasika ity raharaha fanondranana antsokosoko ilay volamena izay tratra tany Afrika atsimo ity.

Efa hitatsika fa nahazo alalana soamantsara hiainga tao Ivato Antananarivo ity fiaramanidin'ny STA 5R-ASB ity ny 31 désambra 2020.

Niainga tamin'ny 5h17 maraina teo Ivato izy, ary nihazo an'i Toliara. Faritra tsy misy radar moa iny faritra iny, fa mitohy kosa ny fifandraisana radio eo amin'ny fiaramanidina sy ny Contrôleur.
Niainga tao Toliara ny fiaramanidina.

07:33

Niditra fifandraisana tamin'ny fiaramanidina ny contrôleur Tana

08:07

Nanome toromarika momba ny fifandraisana amin'i Maputo ny contrôleur Tana, ary nangatana ny hiantsoan'ny mpanamory rehefa hivoaka ny faritry Madagasikara

09:57 (Ora Johannesburg)

Nigadona tao Johannesburg ny fiaramanidina, ary nihazo ny Hangar takotakona izay Parking tsy azo alefa raha tsy manana fahazoan-dalana mialoha.

11h30 (Ora Johannesburg)

Niainga tao Johannesburg ny fiaramanidina, hiazo an'Antananarivo mivantana

16h31 (Ora Madagasikara)

- Niantso an'Antananarivo ny fiaramanidina, fa ratsy ny fifandraisana, ka niditra nanampy an'i 5R-ASB ny fiaramanidina hafa akaiky teo nilaza tamin'ny contrôleur fa miezaka miantso Tana i 5R-ASB fa tsy mahazo
- Nangataka tamin'ity fiaramanidina ity ny Contrôleur raha afaka manelanelana hampitana hafatra amin'ny fiaramanidina 5r-ASB izy
- Nanaiky hanelanelana amin'ny fampitana ny toromarika ilay fiaramanidina
- Nisaotra azy ny contrôleur ary dia nanome ny toromarika ampitaina amin'ny fiaramanidina 5R-ASB
- Niantso an'i 5R-ASB ilay fiaramanidina hafa nanelanelana, ary nanontany raha mahare ary vonona amin'ny fanelanelanana ataony
- Nanaiky ny andray ny toromarika avy amin'ny fiaramandidna mpanelanelana i 5R-ASB
- Nanome ny toromarika rehetra avy amin'ny cotrôleur ny mpanelanelana, ary nampilaza tamin'ny contrôleur ny toerana misy ilay fiaramanidina 5R-ASB, ary nanamafy fa avy any Johannesburg hiazo an'Antananarivo i 5R-ASB, ary hiditra ny faritra balise Tana izy amin'ny 17:03
- Nisaotra ny firamanidina mpanelanelana tamin'ny fiaraha-miasa ny contrôleur, ary nangataka ny ampitana amin'ny 5R-ASB ny hifandraisany rehefa miditra ny faritry Tana.
- Nanontany an'i 5R-ASB ny mpanelanelana raha voarainy ny toromarika

17:07
- Nanome toromarika amin'ny fidinana eo Ivato ny contrôleur, ary nangataka ny iantsoany rehefa mifanitsy amin'ny piste izy
- Nanamafy i 5R-ASB fa voarainy ny toromarika
- Niantso i 5R-ASB fa efa mifanitsy amin'ny Piste izy
- Naniraka azy hanohy ny fidinany ny Contrôleur ary nanome ny toromarika hifandraisany amin'ny Tour de contrôle
- Niantso ny Tour de Contrôle i 5R-ASB
- Nanome ny toromarika sy ny Météo ao an-toerana ny Tour de Contrôle, ary nangataka ny hiverenena miantso rehefa akaiky ny Piste
- Nanamafy ny mpanamory fa voarainy ny toromarika

17:10
- Nampilaza ny mpanamory fa efa akaiky izy
- Nilaza ny Tour de contrôle fa afaka midina eo Ivato izy
- Niarahaba tratry ny taona ny Tour de contrôle ny mpanamory "Happy Year"
- Nirary soa ihany koa ny Tour de Contrôle "Tratry ny farany"

17:14
- Nilaza ny Tour de contrôle fa malalaka ny piste

Nigadona teo Ivato ara-dalàna ny fiaramandina 5R-ASB ny 31 desambra 2020 17:14 avy any Johannesburg.

Tapitra eto ny fanadiadiana momba ilay fiaramanidina, ny azo ambara dia tsy nandeha antsokosoko velively ity fiaramanidina ity, fa nahazo alalana rehetra niala an'Antananarivo ho any Toliara, nahazo solika, nihazo an'i Johannesburg ara-dalàna ary fantatra ny nandehanany tany, nihazo an'i Johannesburg ary niditra ny Parking sy hangar takotakona tsy mahazatra, ary nahazo alalana mialoha ampiasa izany parking izany, satria tsy maintsy teo ihany koa no nanaterana solika ho azy alohan'ny hiverenany an'Antananarivo.

Ny Douane, ny PAF, ny Gendarmerie miandry ny Tarmac sy ny sisin-tany, ny service sanitaire izany mahalala fa nisy vol international vao tonga io harivan'ny 31 desambra 2020 io.

Ny tohin'ny fanontaniana izany, iza no nanome alalana rehetra an'ity fiaramanidina ity, raha ny Sekretera jeneralin'ny ACM, izay midoboka any Tsiafahy ankehitriny no nahavita izany, iza no nibaiko azy, ary iza no mahabaiko azy.

Iza no tompon'ny volamena, ary iza no olona ambony mpiaro ny tompon'ny volamena.

(Tantara mitohy)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.