Carte Visa Mvola: Tena tsara ny firosoana amin'ny payement électronique

  • samedi, 03 octobre 2020 08:41
  • Super User
  • Sary nindramina Mvola

Anisan'ny ventin-teniko mandrakariva ny firosoana amin'ny payement électronique toy ny banking money, carte électronique.

Mahafaly ny firosoan'ny Mvola amin'ny fanomezana tolotra Carte Visa international, izay ahafahana maka vola na aiza na aiza maneran-tany amin'ny alalan'ny distributeur automatique Visa.

Tsara ihany koa ny fahafahana mampiasa ilay carte Mvola amin'ny fividianana entana amin'ireo mpivarotra manana terminal Visa TPE, sady mampihena ny tsy fandriam-pahalemana ireny satria lavitry ny fikirakirana vola be an-tanana.

Tsara ihany koa ny carte Mvola satria afaka hividianana entana na service amin'ireo mpivarotra eny amin'ny internet na vente en ligne.

Tsara kosa raha asiana assurance miaraka amin'ilay carte, toy ny vol, agression au DAB, fraude raha tsy ianao no nampiasa ny carte, na misy halatra sur internet, azo atao option ny assurance vie sy assurance voyage.

Mila ezaka lehibe kosa ny sarany. Mbola azo leferina ihany ny 20 000ar alaina eo ampividianana ilay carte any amin'ny shop Mvola, fa ilay sarany 4-6% alaina amin'ny fakana vola iraisam-pirenena kosa tafahoatra loatra.

Ny Carte bleue dia afaka ampiasaina amin'ireo banky samihafa, raha ny Union Européenne dia nametra ho lalàna any Europe fa tsy mahazo mihoatra ny 0.23% ny frais alaina amin'ny fampiasana ny Carte bleue (commission d’interchange de paiement (CIP)), raha 0.29% izany teo aloha. Ary ny mpivarotra no mizaka izay frais izay fa tsy ny mpanjifa.

Ny banky tsirairay afaka mametra ny sarany fa tsy mahazo mihoatra io fetra io.
Io sarany io miampy 0.04% amin'ny Taux Interbancaire de Cartes en Opposition (TICO), izay sarany alain'ny banky samy banky amin'ny mety hosoka mitranga.

Ny Carte bleue izany dia mitentina 0,9011 % ny sarany amin'ny vola alaina amin'ny réseau CB, raha 1,3640 % amin'ny réseau Visa, ary 1,9164 % amin'ny réseau Mastercard.

Mila manisy fetra izany ny fanjakana Malagasy amin'ny sarany alaina amin'ireto payement électronique ireto fa tsy avela samy amaritra ny azy midangana ny banking money sy ny Carte bleue na Carte Visa.

Mankahery an'ny Mvola anefa amin'ilay dingana lehibe, izay antenaina hihena ny sarany, na ny amin'ny banking money na amin'ny Carte Mvola.

Mirary soa e.
Patrick

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.