Vatsy Tsinjo: Misaotra Prezida, nefa...

  • dimanche, 06 septembre 2020 13:28
  • Super User

Somary gaga aho nilazana fa ao anaty lisitra ny anarako, dia nalaina tany amin'ny tompon'andraikitra ny ticket, dia hoe alaina eny Ankatso fanaovam-baolina ny entana.

Nanontany azy aho ny masotsivana anomezana ilay Vatsy Tsinjo, dia hoe izay rehetra manana karne dia mahazo avokoa.

Betsaka anefa ireo mitaraina fa tsy nahazo, ary ry zareo dia sahirana lavitra miohatra ahy, dia nomeko azy ireo ny ticket ko, dia mandehana alaivo any hoy aho, dia zarainareo mitovy ho anareo.

Tonga tany anefa dia niverim-potsiny, tsy nisy filazana, tsy nisy mpizara tonga teny an-toerana, heno fotsiny hoe lany ny entana ka miandry manaraka.
Niverim-potsiny ireo nangaina, nanantena ilay vary kely hifampizarana, ka dia nividianako vary nomena andreo, tazony ihany hoy aho ny ticket ka rehefa misy tonga dia alaivo.

Jereo akaiky ry zareo fa tena mampiady ety an-tanàna ity Vatsy Tsinjo sy Tosika fameno ity, zaho mahita fa maro ireo 4x4 mitondra ireny vary gony miloko volomboasary ireny, ireo sahirana anefa dia tena mijery fotsiny. Ireo efa nahazo ilay 100 000ar mbola mahazo vary ihany koa.

Efa teniko moa ny hoe, ajanony ity fizarana mampiady ity, omeo tosika ireo orinasa fa maty izy ireo, omeo asa ny olona fa aza zarina angataka sy hiandry fanampiana lava. Izay tena sahirana kosa dia ampio, sazio mafy ireo manampatra fahefana sy manao kolikoly. Omeo andraikitra ny fokontany, ny Kaominina, ny faritra sy ny ministera isan-tokony amin'ny asa tandrify azy avy.

Mirary soa e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.