Aoka izay ny fihibohana sy fizarana vatsy tsinjo

  • jeudi, 03 septembre 2020 07:16
  • Tigre
Ny mpitondra mihitsy izao no mamory vahoaka, tsy manao takombava orona.
 
Ny aretina voatsabon'ny dokotera malagasy tsara.
 
Ajanony amin'izay ny hamehana ara-pahasalamana sy
ny CCO, vatsy tsinjo sy ny politikan'ataka sy mpizarazara fanampiana mitanila sy mampiady, izay mivadika propagandy.
 
Ireo marefo ara-pahasalamana sisa no tokony mbola mihiboka, ny sisa avela hiasa malalaka.
 
Aleo hisokatra malalaka ny fitaterana rehetra, jerena ny fanampiana ireo orinasa, ny fampandrosoana ifotony, fanomezana asa mahavelona ny olona.
 
Foano ny couvre feu. Aleo hisokatra ny Fiangonana.
Ampidiro mianatra ny mpianatra.
 
Raiso an-tanana ny ampahany amin'ny fakitira jirama. Omeo solon'izany ireo tsy misy rano sy jiro.
Fohano ny hetra 6 volana tsy niasana.
 
Apetrao sy tsinjarao isaky ny CSB ny fanafody raha sanatria misy voa.
Tohizana ny fiarovana mahazatra, manasa tanana ny rehetra, takombava orina ho an'ny lehibe sy ny zaza marefo.
Aretina azo tsaboina tsara ary hain'ny dokoterantsika malagasy ny mitsabo ny Covid-19.
 
Ataovy mazava ny fitantanana sy ny nampiasana ny vola 750 millions de dollar fanampiana voaray sy vola notrosaina.
 
Patrick 
 
 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.