EPS Bacc: Resa-bola no manahiran-tsaina ny mpampianatra

  • mercredi, 02 septembre 2020 08:39
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nihaona tamin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Elia Assoumacou Béatrice ireo mpampianatra fanatanjahantena.

Toherin’izy ireo ny fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta ny alarobia 26 aogositra teo momba ny fanafoanana ny adina ara-panatanjahantena amin’ny bakalorea.

Naneho hevitra mikasika izany tamin’ny haino amanjery mbamin’ny gazety ihany koa izy ireo.
Resa-bola mifandraika amin’ny tambikarama (indemnités) no fototry ny fanoherana, araka ny fantatra.

Nanazava ny tompon'andraikitra ambony iray ao amin’ny minisitera fa antony maromaro no tsy maintsy nandraisana ny fanapahan-kevitra.
Ny fiarovan-tenan’ny mpianatra no laharam-pahamehana. Maro ny Ray aman-dReny mitaintaina mikasika ny fahasalaman-janany.

Tsy nanam-potoana nanaovana fanazarantena ihany koa ny mpianatra nandritra izay fihibohana izay.
Ao anatin’ny famerenan-desona izy ireo amin’izao fotoana izao ka tsy tratra intsony raha sady hiatrika adina ara-panatanjahantena na hiana-desona ara-panatanjahantena ireo tsy afaka misehatra eny an-kianja.

“Fahamehana ara-pahasalamana no misy ka misy zavatra maro tsy maintsy ampandeferina. Tsy ho toy izao foana tsy akory ny isan-taona”, hoy ny mpanome vaovao.

Niangavy ny mpampianatra ny tompon'andraikitra ao amin’ny minisitera mba hampandefitra ny fitiavan-tena.
Tsy ny « indemnités » no hanaovana sorona ny ain’ny mpianatra hiatrika fanadinana.

“Ray aman-dReny ihany koa ianareo na dia mpampianatra EPS aza. Ny fahasalamana no voalohan-karena. Tsy resa-bola no anaovana tsinontsinona ny ain’ny mpianatra tsy nanavita fanazarantena”, hoy ny tomponandraikitra.

Efa nilaza ireo mpitsabo sy manampahaizana momba ny fanatanjahantena fa tsy azo tanterahana ny adina EPS mandritra izao fahamehana ara-pahasalamana izao.
Tsara manatona eny amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fiadidiana ny praiminisitra ihany koa anefa ireo mpampianatra mangataka fanazavana misimisy.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.