Editorial

    • vendredi, 02 octobre 2020 09:18

    Misy zavatra manamarika anao entinao mamakivaky ny fiainana

    Mbola nanao collecteur letchi tamin'izany Miditra anaty ala saro-dalana ny fiara.Maty tsy niaka-menaka ny camion nentiko.Tsy misy olona hamonjy anao fa dia miroboka anaty fotaka ambany camion, miaraka amin'ny mpanampy anao. Nisy rangaha iray efa mamo be nanantona.Tsy niteny mihitsy izy fa nijery nanara-maso, teo amin'ny cabine misokatra misy ny motera, zaho ao ambany, mahita azy.Niarahaba azy aho, fa tsy namaly izy nijery fotsiny.Afaka adiny iray teo angamba vao niteny izy: - "Serrer-o tsara ny boulon, hoy izy, ary aza andrasana rahampitso izay azonao serrer-na androany", dia lasa izy. Mandram-pivoakako tao ambany camion, efa tsy hitako izy. Mirary soa e.Patrick
    Lire la suite ...
    • mercredi, 30 septembre 2020 13:10
    • Sary nindramina

    Ho antsika Frère d'Arme

    Tsy fanaoko ny mitondra kiana ampahabemaso ho antsika miaramila ao anaty Foloalindahy, mahatsiaro ho rahalahy afaka manoro hevitra na izany aza satria iombonana ny fototra niaviana sy hijoroana. Maro ireo ezaka ataonareo Zandry sy Zoky ankehitriny eo anivon'ny Tafika, Miaramila, Zandary ary Polisy. Anisan'ny ezaka goavana ary misy fandrosoana ny fametrahana ho matihanina ny asa fiarovana eo anivon'ny Foloalindahy, ary miroso amin'ny fanavaozana sy fametrahana ireo rafitra mifandraika amin'ny tanjona tiana ho tratra. Ny tiako iahaviana dia ny fanamafisana ny fitondran-tena, ny fitsipi-pifehezana ara-miaramila, ny tsy fiarovana izay mania nefa efa nahitsy tamin'ny lalana ratsy nataony. Ohatra amin'izany, efa tonga ny Lehibe, ny Praiminisitra raha eto amin'ny sary, misafo ny andian-tafika, ny Faneva efa mihatrana, nefa mbola misamaritaka ireo manam-boninahitra aoriana, mbola misy ny mampiasa phone sy manondro izay fandaminana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 septembre 2020 09:42

    Fampandrosoana ny Faritra: Omena lanja ny Fokontany

    Iarahan'ny rehetra manaiky fa tsy maintsy ny fototra no atao tsara raha te hanana trano mafy sy maharitra. Ny fampandrosoana ny Malagasy sy Madagasikara dia tsy maintsy miainga amin'ny fampandrosoana ny Fokontany. Ajanona ity fizarazana isam-poko nolovaina tamin'ny fanjanahan-tany ity, ary hajaina sy omena lanja ny fomba amam-panaon'ny isaky ny faritra. Mila olona mahay izany ny mitantana ny Fokontany. Manana licencié, dokotera, injeniera, mihoatra ny 500 000 isika raha ny nivoaka ny oniversité tao anatin'ny 10taona fotsiny no jerena. Nanao engagement décenal ny ankamaroan'ireo izay nandray bourse, izany hoe nanaiky ny ampiasan'ny fanjakana azy na aiza na aiza mandritra ny 10 taona.
    Lire la suite ...
    • lundi, 28 septembre 2020 09:02

    Fitsinjarana andraikitra: Atao Faritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo

    Betsaka ny resaka na lalàna efa natao amin'ny fitsinjaram-pahefana tena izy, fa dia samy namikitra nitazona ny fahefana ho an'ny vondrona antokon'olom-bitsy hatrany.  Novesarana rafitra poakaty tsy misy fahefana, tsy misy vola. Ny tetikasa tiana atao: Ialana ny rafitra fanjanahantany ka dia ho tsinjaraina Faritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo i Madagasikara. Tsy misy ny misaratsaraka, samy mahazo ranomasina andrefana, atsinanana. Atao eo anivon'ny Fokontany ny fampandrosoana rehetra, ka dia omena azy ny andraikitra rehetra sy ny tetibola.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 septembre 2020 19:48
    • Tahirin-tsary nindramina fampihaingoana

    Famadihan-drazana: Fomba fanao tsy lefin’ny fihibohana

    Misy ireo fianakaviana any ambanivohitra no tapa-kevitra fa hiroso amin’ny fanatanterahana famadihan-drazana ato ho ato, na eo aza ny fepetra ara-pahasalamana. “Ny fanjakana izao efa mivonona ny hanao lanonam-be amin’ny 14 oktobra ho avy izao koa nahoana izahay no sakanana tsy hanao famadihana?” hoy izy ireo. Nanafatrafatra ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady hariva teo fa tsy mbola azo atao aloha ny lanonana ara-drazana toy ny famadihana. Nahazo toromarika mikasika izany ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, toy ny Ben’ny tanàna sy ny solontenam-panjakana ary ny mpitandro filaminana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2020 12:46

    Fitsinjarana andraikitra: Hatraiza ny fahavononana ampandroso miainga eny ifotony?

    Teti-bola nasiam-panitsiana 2020 (Loi de finance rectificative 2020) - Présidence: Karama: 10,587 miliara ariaryIndemnités: 23,296 miliara ariaryFampandehanan-draharaha: 79,178 miliara ariaryInvestissement: 121,166 miliara ariaryTeti-bola 210,931 miliara ariary - Senat (63 sénateurs):Karama: 0 ariaryindemnité: 11,818 miliara ariaryFampandehanan-draharaha: 16,525 miliara ariaryInvestissement: 0 ariaryTeti-bola: 16,525 miliara ariary
    Lire la suite ...
    • samedi, 19 septembre 2020 10:07

    Mety mahasoa anareo zandry injeniera: Ahoana ny amahana olana ny fitadiavana ny point géodésique

    Rehefa manao asa vaventy, na lalana, na tetezana na barazy dia atao anaty plan ny maridrefy sy ny haavon'ny toerana, mba ahitana ny misy azy ara-jeografika, sy ahitana ny haavon'ilay fotodrafitrasa atao. Io no antsoina hoe point géodésique, izay misy borne mihitsy eny amin'ny tanety sy tendrombohitra nametrahana izany, anamarinana ilay toerana mifanaraka amin'ny carte topographique. Rehefa anatateraka ny asa anefa dia tsy hita eny an-toerana, na alavitry ny toerana anorenana ilay fotodrafitrasa ilay repère géodésique voalazan'ny carte topographique, na ilay borne ahitana ny haavon'ilay toerana mihoatra amin'ny ranomasina, izay heverina sy napetraka ho niveau zero(0) maneran-tany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 septembre 2020 11:17

    Mety mahasoa anao: Ataovy maison d'hôte ny tranonao tsy misy mipetraka

    Maro isika no te hanana fidiram-bola fanampiny ankoatran'ny asantsika andavan'andro. Misy ihany koa ireo manana trano tsy hipetrahany, na ilainy amin'ny fotoana voafetra ihany, na izy miasa any amin'ny faritra hafa, na mipetraka any ivelany. Ny mpizahatany vahiny na ireo mipetraka eto an-toerana dia mila trano manokana, tsy any amin'ireny hotely ireny, fa trano efa misy entana sy izay ilaina rehetra, ka izy ihany no mahandro sakafo na manao ny fiainany toa ny andavan'andro nefa sady mitsangatsangana. Matetika dia maharitra 7-15j izy ireny. Arakarak'ilay trano, mety mihofa isaky ny efitra, fa matetika ilay trano iray manontolo no ampiasainy. Io no antsoina hoe Maison d'hôte, izany hoe trano fandraisam-bahiny mahaleo tena ilay fianakaviana na olona hipetraka ao.Sady mora izy io nefa tsara.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 septembre 2020 19:59

    Aoka amin'izay ty faritra mangataka amin'ny fitondrana foibe ity.

    Ianareo faritra no manome harena sy vokatra izay omena tantanan'ny fanjakana foibe, dia ianareo indray no mitalao amboary ny Epp, CEG, lalana, hopitaly, fandriam-pahalemana. Raisiko ohatra ny faritra SAVA:La vanille 2000tonnes na 2 millions kg no novokarinareo nahondrana tany ivelany taona 2018-2019.Raha 300dollars Usd ny 1kg, dia 600 millions de dollar zany ny vola vahiny nampidirinareo. Mihoatra ny fanampiana sy trosa omen'ny mpampindram-bola ivelany antsika.Dia lalana Ambilobe - Vohemar, na Maroantsetra - Antalaha - Mandritsara dia angatahanareo?Mbola ny foibe, izay masondreo tsary nahita la vanille no manapaka ny momba ny la vanille.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 09 septembre 2020 12:52
    • Photo Net - Maisons Clair Logis

    Vitatsika Consulting: Manamboatra trano

    Betsaka ny manontany raha manamboatra plan na manamboatra trano izahay. Manana entreprise mpanao trano izahay, Vitatsika Consulting, izay manana branche Vitatsika Construction, miaraka miasa amin'ny entreprise maro ihany koa, na hanao lalana na hanao toha-drano, na sekoly, na hopitaly, na tsena, fampidiran-drano, mandray anjara amin'ny fifaninanana marché public... Manao trano ho an'ny olon-tsotra na particulier, na manangana ny asa vaventy ihany, gros œuvres, na clé en main miaraka finition, izay hifanarahana. Raha manao plan fotsiny, dia 10 000ar/m² ny sarany, raha misy rihina izany, dia isaina ny velarana ambany, atambatra amin'ny velarana isaky ny rihina.Raha tombana ankapobeny tsy manao plan détaillé kosa ahafantaranao hiomanana amin'ny ny mety ho laninao forfait 1 million ariary.
    Lire la suite ...
Page 9 sur 81