Editorial

    • mardi, 29 décembre 2020 09:04
    • Sary nindramina

    Fikan'antitra : Resaka ronono lay raha

    1- Ahoana no atao mba tsy hiraikitra amin'ny vilany ny ronono avy mangotraka Alaivo ny casserole na vilany asiana azy, ampandalovy rano mangatsiaka ny ao anatiny, dia avelao hisy rano kely eraky ny sotro fihinanam-bary tavela ao, dia arotsaho moramora ny ronono.Tavela ao ambany io rano io fa tsy hoe lasa ronono mitapo-drano akory, ka rehefa mangotraka ny ronono, dia io rano io no lasa bulle sy film ao ambany ao, tsy hiraiketan'ny ronono amin'ny vody vilany, satria ny rano mavesatra noho ny ronono dia tavela ambany. 2- Ahoana no atao mba tsy hampandroatra ny ronono mangotraka Asio sotro hazo ao anaty ronono hafanaina. Sotro lava kokoa noho ilay vilany sao izy indray no latsaka anaty ronono.
    Lire la suite ...
    • samedi, 26 décembre 2020 18:21
    • Sary nomena

    Analabe Ambanja : Ady mafana ny famongorana ny jamala

    An-jatony hekitera ny velarantany ahitana voly jamala na rongony any Analabe Ambanja. Nahatratra 80 taonina teo ny lanjan’ny tra-tehaky ny zandary nandritra ny roa taona sy tapany nanomboka ny oktobra 2017. Vao ny fiandohan’ny volana oktobra lasa teo ihany koa no nahatratra rongony milanja 2 888 kilao, miampy voany milanja 77 kilao ny zandary avy any Ambanja nandritra ny hetsika nataon’izy ireo. “Opération kely” no nahazoana ny vokatra tamin’izay ary tokony ho nisy “saison 2” taorian’izay. Ao anelanelan’ny Kaominina ambanivohitr’Antsahabe Centre sy Marotolàna no misy an’Analabe, izay malaza amin’ny famokaran-drongony.Saro-dalana tokoa ny toerana. Vitsy, noho izany, ny iraka alefan’ny mpitondra tonga mizaha ifotony ny zavamisy any.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 décembre 2020 10:13

    Fitsarana : Rehefa iza dia ampiharina ny didim-pitsarana

    Nivoaka ny didim-pitsarana 4 taona an-tranomaizina, sazy mihatra ho an'olona 4 tompon'andraikitra ambony teo anivon'ny Jirama, ka isan'izany ny Tale Jeneraly teo aloha Désiré Rasidy, sy ny Tale jeneraly misahana ny raharaha anatiny DGA Ravelojaona Albert Marie. Tsy nijanona indray andro tany am-ponja anefa ity farany, dia navoaka ny fonja, araka ny baiko nomen'ny Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny fitsarana miady amin'ny kolikoly, na ny Procureur Général près le Pôle Anti-coruption Antananarivo, mandidy ny lehiben'ny Fonjan'Antanimora hamoaka azy, noho ny tsy fisian'ny taratasy famonjana an'i Ravelojaona Albert Marie.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 décembre 2020 07:31
    • Sary fampiaingoana

    Madagasikara : Ahiana hihanaka be eto indray ny Covid-19 ?

    "Matahotra mafy mihitsy ato, fa raha ilay fisavoritahana be izay nitranga teny amin’ny seranana Ivato nandritra ny fahatongavan’ny sidina manokan’ny kaompaniam-pitateraka Air Madagascar sy Air France niaraka iny no nisy nitondra ny coronavirus ny mpandeha dia hipatitaka eto indray isika." Io no nambaran’ny olona iray izay nanan-draharaha teny amin’ny seranam-piaramanidina ka nahita tsara ny fizotry ny raharaha nisy teny an-toerana tamin’io fotoana io. Tsy fantatra izay lamina tsy voahaja tao, fa dia io fisavoritahana teo amin’ireo samy mpandeha izay efa lanaky ny dia, ka maika ny ho tonga, no mbola tratry ny tebiteby toy izay nanjo ireo nandalo ny nosy rahavavy La Réunion io no tsikaritry ny mpitazana. Nanapa-kevitra mikasika ny sidina manokana amin’ny zotra mampitohy an’i Frantsa sy i Madagasikara ny fitondram-panjakana. Ankoatra ny kaompania Air Austral sy ny Ewa Air ary ny Ethopian Arilines izay misahana ny zotra iasany, dia nomena alalana hanatanteraka sidina manokana amin’ny daty voatondro mialoha ny kaompania Air Madagasikara sy Air France.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 décembre 2020 11:53

    Fantatrao ve : Ahoana ny fitsinjaran'ny vidi-tsolika

    Nanomboka tamin'ny 20 jona 2019, dia nampiharina teto Madagasikara ny famerana tsy miova ny vidi-tsolika eny amin'ny mpaninjara andavan'andro. 1- Vidy amarotana ny solika (Moyenne = 3 516 ar - 100%) : - Lasantsy (Super Carburant SC) : 4 100ar- Gazoala ( Gasoil GO) : 3 400ar- Solika fandrehitra (Pétrole Lampant PL) : 2 130ar 2- Vidy andraisana ny solika tonga eo amin'ny sisintany Malagasy (Moyenne = 2 007ar - 57%) : - Lasantsy (Super Carburant SC) : 1 983ar - (48%) - Gazoala ( Gasoil GO) : 2 018ar - (59%) - Solika fandrehitra (Pétrole Lampant PL) : 2 001ar - (94%) 3- Fitaterana sy Fitehirizana (Moyenne = 295ar - 08%) : - Lasantsy (Super Carburant SC) : 309ar - (08%) - Gazoala ( Gasoil GO) : 290ar - (09%) - Solika fandrehitra (Pétrole Lampant PL) : 294ar - (14%)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 décembre 2020 10:49

    Mety mahasoa anao : Fampiakaran-drano amin'ny alalan'ny herin'ny Coup de Bélier

    Raha manana rano avy aty ambany, nefa tiana hiakatra ambony, ohatra, misy renirano, tiana hanondraka tanim-bary ety ambony, na manana loharano ety ambany saha, nefa tiana hiakatra anaty reservoir eny ambony. Azo amatsiana rano fisotron'ny fokonolona ihany koa izy, tsy ilana pompe mandeha amin'ny herinaratra, na pompe andaniana solika.Mahazaka mitarika kilometatra lavitra izy. Ny renirano aty andohasaha izany akarina eny ambony vohitra, hameno reservoir, dia iny indray no midina mamatsy rano amin'ny fantsona an'ireo pompe sy robinet ao an-tanàna. Ny vanne mitondra rano dia misy herin'ny rano ao anatiny, ka raha izy mikoriana tsara iny, no akatona tampoka ny robinet, dia miverina tampoka iny heriny iny, ka dia ozongozoniny, mety apoakany mihitsy aza iny tuyau iny. Izay no antsoina hoe Coup de Bélier. Azo ampiasaina izany io herin'ny rano io hampakarana azy ambony, tsy mila angovo hafa.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 décembre 2020 09:49

    Fantatrao ve : Ohatrinona ny masokarena fambolem-bary

    1- Inona avy ireo asa miandry vao tonga eny an-tsena ny vary? (Nindramina tamin'ny namana Matsiatra Ambony) - Mamafy idim-bary aloha- Mandomaka- Magnitsaka- Magnajary tany- Izay vao magnetsa (mamboly)- Miava- Mijinja- Mitaogna- Mikarakara tombegnana Antsihintany- Mamofoka- Ahahy- Ampidirina antranom-bary- Izay vao mandisa (mitoto)
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 décembre 2020 11:35
    • Sary nindramina

    Kere Androy : Iza ireo faritra ireo

    1- Tropique du Capricorne Ireo faritra manodidina ny Tropique du Capricorne, indrindra ny ao atsimony no tena tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo na ny Kere. Ny Tropique du Capricorne dia tsipika an-tsaina amin'ny ilabola atsimon'izao tontolo izao.Izy dia mifanandrify tsy misy takona amin'ny masoandro, indrindra ny volana desambra. - Misy tombony be izy izany, raha ampiasaina hamokarana angovo azo alaina amin'ny masoandro, satria dia mihoatra ny 12ora ny azy dia misy masoandro hatrany, ary masoandro mivantana. - Azo anaovana toerana fandefasana zana-bolana ihany koa izany izy, satria miditra amin'ny trajectoire spacial fandefasana sambon-danitra. - Afaka anaovana zone d'observation astrale, sy zone satellitaire, satria tsy misy manakona, fa mazava ny lanitra.
    Lire la suite ...
    • lundi, 14 décembre 2020 16:00
    • Tahirin-tsary nindramina Bas Mangoky - Atsimo andrefana

    Kere any Atsimo : Inona no vahaolana

    Maro ireo filazana ny zava-misy any an-toerana, efa mahafeno armoire ihany koa ny teti-kasa vahaolana naroso momba izany, amahana ny olan'ny kere, izay miankina amin'ny tsy fisian-drano any amin'ny faritra atsimo andrefana atsinanana iny. Tsy hiverenantsika izy ireny, ary tsy hipasoka ny efa malama, fantatry ny mpitondra nifandimby avokoa ireo olana sy vahaolana ireo. 1-Nahoana hoy isika aza no mbola misy hatrany ny kere. Valiny tsotra, satria manan-karena ny ao atsimo, na an-dranomasina, na ambanin'ny tany, na ny velaran-tany azo volena, ary betsaka ny mpitondra sy ny olobe any an-toerana no mangeja ny faritra mba ahafahana mahazo tombon-tsoa amin'izany. Ireo fikambanana iraisam-pirenena ihany koa dia maro no mahita tombotsoa sy famatsiam-bola hiasana any an-toerana, ary amaharana any an-toerana amin'ny fisian'ny kere, izay sary azo amidy azahoana famatsiam-bola goavana, satria sary mampihetsim-po ireo malala tanana any ivelany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 09 décembre 2020 09:59

    Rovan'i Manjakamiadana : Teti-bola tsy misy fetra ?

    Ferana hatramin'ny ohatrinona moa izany ny fanamboarana ny Rovan'i Manjakamiadana na Rovan'i fanjakana Merina, sy ny famerenana ireo vakoka tao aminy? Sa Teti-bola tsy misy fetra na budget illimité, mbola maro manko ireo vakoka tamin'ny fanjakana merina mandedeha maneran-tany, fa ny an'ireo mpanjaka any amin'ny faritra ajanona trano kakazo foana satria tazonina amin'ny endriny fahiny? Tsy resaka tsy fitiavana, na resaka foko, fa ampy kosa zay fanjakana merina ihany no fanjakana teto Madagasikara izay, mba omeo ny faritra hafa ihany koa ny anjara fananany fa tsy ny tantaran'ny fanjakana merina ihany no atao tantaran'ny fanjakana malagasy rehetra. Lalana pavé 10km isaky faritra ve no mba budget omena ny faritra, nefa akanjo 1 vidiana miliara, aoka kosa zay e. Mijoroa ianareo fianakaviana sy taranak'andriana merina, vidio ny vakoka mirakitra ny tantaranareo, fa aoka kosa tsy ny rehetra no hibaby an'izay e, nefa ny fanamboarana ny fotodrafitrasa ho an'ny faritra mbola trosaina ka ny taranaka no andoa azy.
    Lire la suite ...
Page 5 sur 81