Editorial

    • lundi, 11 janvier 2021 10:46

    Volamena 73.7 kg : Niantsona teo amin'ny hangar takotakona tany Johannesburg ilay fiaramanidina

    Rehefa niainga teto Antananarivo hihazo an'i Toliara ilay fiaramanidina 5R-ASB nitondra ilay volamena 73.7kg ny 31 desambra 2020 tamin'ny 05:17 maraina, dia nanova izany sidina anatiny izany ho sidina iraisam-pirenena tao Toliara, rehefa nilaza fa hanampy solika tao an-toerana. Ary dia nizotra nivoaka ny faritry Madagasikara tamin'ny faritra tsy hitan'ny radar satria toerana tsy rakotry ny balise Malagasy izay ao Antananarivo sy Antsiranana ihany no misy azy, fa ny fifandraisana kosa dia mipetraka hatrany eo amin'ny fiaramanidina sy ny Contrôleur eo amin'io faritra io. Tamin'ny 09:57 (Ora any an-toerana) dia nigadona teo amin'ny seranam-piramanidina lehibe Aéroport international OR Tambo ao Johanesburg, Afrika atsimo ny fiaramanidina. Nizotra tamin'ny parking tsy voarakitra ao amin'ny carte ity fiaramanidina, ny fiaramanidina rehetra amanjatony mifanerasera eo amin'ny seranana anefa dia tsy maintsy mandeha eny amin'ny parking ara-dalàna, ary voarara ny mandeha eny amin'ny hangar raha tsy mahazo alalana manokana. Voarakitra amin'ny sary miloko manga ny parking ara-dalàna ao Johannesburg, izay carte ampiasain'ny mpanamory migadona ao, ary ny faritra mena dia faritra voarara, izay nandehan'ity fiaramanidina 5R-ASB nitondra ilay volamena 73.7kg ity.
    Lire la suite ...
    • samedi, 09 janvier 2021 16:44

    Volamena 73.7kg : Afaka tsy naka solika tao Toliara ilay fiaramanidina

    Mitohy hatrany ny fanadiadiana momba ity trafikana volamena 73.7kg, izay saika naondrana tany Dubai, nefa tratra tao Johannesburg Afrika atsimo ny 31 desambra 2020. Raha ny fitsirihina ny balise n'ilay fiaramanidina dia ampy azy tsara hisidinany mivantana any Afrika atsimo ny solika zakany, porofon'izany nandeha nivantana avy any Johannesburg izy nihazo an'Antananarivo rehefa niverina, fa ny fijanonany tao Toliara izany dia niniana nolazaina anampy solika, fa ny andamina ny fahazoan-dalana misidina iraisam-pirenena no tena antony raha ny fandinihina azy, satria niala tao Antananarivo izy ny alakamisy 31 desambra 2020 tamin'ny 05h10 (Heure locale) maraina ary tonga Johannesburg OR Tambo tamin'ny 10h06 (Heure locale).
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 janvier 2021 07:56

    Volamena 73.7kg : Zanaka pilote ihany no pilote nitondra ilay fiaramanidina

    Hatreto ilay mpanamory ilay fiaramanidina nitondra antsokosoko ilay volamena milanja 73.7kg dia mbola miriaria tsy misy resaka, nefa izy no tompon'andraikitra voalohany amin'ny mpandeha sy ny entana entiny. Fantany tsara ny fisian'io entana mavesatra io. Rehefa mandeha fiaramanidina madinika toa io dia lanjaina ny mpandeha sy ny entany. Atrehan'ny Compagnie izany io fandanjana entana io. Eo dia efa tokony hitan'ny mpandanja entana fa misy entana mavesatra. Tsy afa-miala ihany koa ny ACM, Douane, PAF, ny compagnie STA tompon'ny fiaramanidina.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 janvier 2021 08:52

    Trafika harem-pirenena : Tsy misy ampihesonina eo

    Mitovy amin'ny trafika rongony ihany io trafika volamena io. Misy ny tena ati-doha manam-bola. Iny tsy mihetsika mandeha avion mitondra ilay rongony na volamena izany. Misy indray ireo irahiny hitady volamena na rongony, mpanangona, manana olona maromaro izy, omeny vola hanangonana.Misy amin'izay ny "mule", na ilay apondra mpitatitra, raha rongony, dia fonosina anaty kapoty dia atelina any anaty kibo, raha volamena dia any anaty valizy sy asisika anaty entana hafa. Ireo ratsa-mangaika : Tsy maintsy voafehiny izany ny eo amin'ny fitaterana azy miala ny dépôt asiany azy, na io saofera efa zatra azy, na taxi, na voiture location.Ao amin'ny Aéroport, na izy olona ambony dia manindry fa hoe "...", izay matetika aza manana garde-corps mpanaraka izy, dia manao salut daholo ny mpitandro filaminana ao amin'ny aéroport. Na matetika ao amin'ireo mpampanofa fiaramanidina, izay misy aza ny mametraka plan de vol interieur, amin'izay tsy voasava douane, nefa eny ambony eny manova dia.
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 janvier 2021 19:35
    • Photos net

    Trafic d’or : L’Interpol intervient

    L’affaire qui défraie la chronique depuis lundi est internationale. Le service de la police sud-africaine a dit qu’il travaille avec Interpol pour enquêter sur l’origine des lingots pesant 73,5 kilos interceptés et confisqués à l’aéroport international OR Tambo en Afrique du Sud lundi. Trois hommes en provenance de Madagascar ont comparu devant le tribunal de Kempton Park Magistrate le même jour pour cause de trafic illicite de métaux précieux et d’infraction douanière. Les suspects à destination de Dubaï étaient arrêtés par les membres d’une équipe multidisciplinaire.Les prévenus auraient bien pu être impliqués dans des actes de blanchissement d’argent et de fraudes. Leur audition a été reportée au 12 janvier prochain en entendant de plus amples informations.
    Lire la suite ...
    • samedi, 02 janvier 2021 08:20
    • Sary fanehoana nindramina

    Fantatrao ve : Afaka amokarana herinaratra ny Vis d'Archimède

    Raha nampiasaina nampakaran-drano tamin'ny reniranon'i Nil tany Ejipta taon-jato faharoa talohan'i Jesoa Kristy ny Vis d'Archimède, amin'ny alalan'ny Vis sans fin, dia nampifamadihana fotsiny izany, ka ny rano mandeha midina, na kely aza ny haavony sy ny habetsahan'ny rano entiny, dia mahavita mampiodina ilay vis, izay izy indray no manodina générateur na alternateur, dia afaka mamokatra herinaratra. Tsy mamono ny trondro mandeha amin'ilay lakan-drano izy, satria miodina mora ka afaka ny trondro, tsy mila fotodrafitrasa goavana izy.Ireo Japoney aza dia efa nanamboatra Vis hydroélectrique portatif, milanja 18kg fotsiny, ka azo afindrafindra. Maro ireo tata-drano maloto any an-toerana no nasiana vis hydroélectrique mampirehitra ireo andrin-jiro amin'ny alina.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 31 décembre 2020 08:23

    L'année la plus courte, janvier, février, covid, décembre

    L'année la plus courte, janvier, février, covid, décembre. Bonne fin d'année tout le monde. Arabaina samy nahatratra ny faran'ny taona avokoa, manaova fety sambatra.Izay misotro toaka, aza mitondra fiara na moto na bisikileta. Patrick
    Lire la suite ...
    • mercredi, 30 décembre 2020 09:58

    Fahasalamana : Tena mafy ny manana marary ankehitriny

    Tena midera anareo dokotera, infirmièr(e), sage femme, na interne, na ianareo paramed, mpivarotra fanafody sy misehatra amin'ny fahasalamana, eny na ianareo miasa birao aza. Mafy ary ambavahadin'ny fitomaniana sy tebiteby hatrany ianareo, miantraika aminareo avokoa ny fijaliana sy fahorian'ireo havana, nefa dia tsy arenesam-peo ianareo fa dia manohy miasa mangina, na dia betsaka ny tsikera sy fanakianana, eny lazaina fa ianareo aza indraindray no omena tsiny nahafaty ny havany. Izaho aza tsy mpitsabo fa maharay hafatra, fitomaniana havana maty efa mila tsy ho zaka, maika fa ianareo miatrika izany isan'andro. Mba jereo ry fanjakana ity resaka hopitaly sy fandraisana an-tanana ny vidim-panafody sy ny fitaovana fa tsy zakan'ny olona intsony e. Ny cancer, diabète, foie, rein, coeur, AVC, paralysie, orthopédie, taolana sy kilemaina, ny sida sy ireo areti-mifindra ara-pananahana ary ireo aretina mavesatra mba raiso an-tanana, fa dialyse 3 isan-kerinandro no atao, nefa efa 500 000ar ny dialyse iray, dia ahoana no azakana izany, fa ny aza voany sisa.
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 décembre 2020 09:04
    • Sary nindramina

    Fikan'antitra : Resaka ronono lay raha

    1- Ahoana no atao mba tsy hiraikitra amin'ny vilany ny ronono avy mangotraka Alaivo ny casserole na vilany asiana azy, ampandalovy rano mangatsiaka ny ao anatiny, dia avelao hisy rano kely eraky ny sotro fihinanam-bary tavela ao, dia arotsaho moramora ny ronono.Tavela ao ambany io rano io fa tsy hoe lasa ronono mitapo-drano akory, ka rehefa mangotraka ny ronono, dia io rano io no lasa bulle sy film ao ambany ao, tsy hiraiketan'ny ronono amin'ny vody vilany, satria ny rano mavesatra noho ny ronono dia tavela ambany. 2- Ahoana no atao mba tsy hampandroatra ny ronono mangotraka Asio sotro hazo ao anaty ronono hafanaina. Sotro lava kokoa noho ilay vilany sao izy indray no latsaka anaty ronono.
    Lire la suite ...
    • samedi, 26 décembre 2020 18:21
    • Sary nomena

    Analabe Ambanja : Ady mafana ny famongorana ny jamala

    An-jatony hekitera ny velarantany ahitana voly jamala na rongony any Analabe Ambanja. Nahatratra 80 taonina teo ny lanjan’ny tra-tehaky ny zandary nandritra ny roa taona sy tapany nanomboka ny oktobra 2017. Vao ny fiandohan’ny volana oktobra lasa teo ihany koa no nahatratra rongony milanja 2 888 kilao, miampy voany milanja 77 kilao ny zandary avy any Ambanja nandritra ny hetsika nataon’izy ireo. “Opération kely” no nahazoana ny vokatra tamin’izay ary tokony ho nisy “saison 2” taorian’izay. Ao anelanelan’ny Kaominina ambanivohitr’Antsahabe Centre sy Marotolàna no misy an’Analabe, izay malaza amin’ny famokaran-drongony.Saro-dalana tokoa ny toerana. Vitsy, noho izany, ny iraka alefan’ny mpitondra tonga mizaha ifotony ny zavamisy any.
    Lire la suite ...
Page 4 sur 81