Fiaraha-miasa amin’ny FMI : Nahazo 312,4 tapitrisa dolara i Madagasikara

  • jeudi, 01 avril 2021 09:58

Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, ny alarobia 31 martsa 2021, ny fankatoavan’ny Filankevim-pitantanan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ny fanampiana amin’ny alalan’ny FEC, na ny Facilité Elargie de Crédit, mitentina 312,4 tapitrisa dolara.

Fandaharanasa vaovao mandritra ny 40 volana no nifanarahana, izay mifandrindra amin’ny politikam-panarenana entin’ny fanjakana, indrindra ny Planina Entina Manarina an’i Madagasikara na ny PEM, ary koa hanamafisana ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, sy ireo fanatsarana ary fanamafisana ara-toe-karena rehetra entin’ny fitondram-panjakana ankehitriny.

 

Dans la même catégorie
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.