Distrika 60 : Hisitraka indostria 60 mifanaraka amin’ny vokatra sy ny fanjifan’ny mponina eto an-toerana

  • jeudi, 18 février 2021 11:07

Hisy orinasa ara-indostria madinika sy salantsalany hijoro sy hiorina manerana ny distrika 60, ka hamorona asa ho an’ireo vehivavy, sy fikambanana vonona hihary ary vondron’olona vonona hanatanteraka ny tetikasa.

Hijoro amin’izany ireo ozinina kely afaka mamokatra ranomboankazo, afaka mitoto vary, afaka manodina ny ovy ho karepoka, ny voatabia ho lasa ambifotsy, ny hamokatra sakafo fanjifan’ny mponina andavanandro.

Hiteraka asa sy fandrosoana ary fanjifana mivantana ny vokatry ny tany avy amin’ny faritra sy distrika isan-tokony izany.

Hisy ny fanofanana eo amin’ny sehatra maro hoenti-mametraka izany.

Ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana no mitarika ny tetikasa, fa miara-mientana kosa ny ministera isan-tokony toy ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, ny ministera misahana ny angovo sy ny rano, hifandrimbona hametraka izany araka ny toromariky ny Filoham-pirenena izay nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 17 febroary 2021.

Io no tetikasa antsoina hoe ODOF, na antsoina koa hoe One District One Factory.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.