Kapoaka manaram-penitra : Hamboarina any Toamasina

  • mardi, 19 janvier 2021 17:44
  • Sary nindramina fampihaingoana

Orinasa lehibe iray any Toamasina no fantatra fa nomena ny tolotra amin’ny fanamboarana ilay kapoaka famaram-bary manaram-penitra (réglémenté) kasain’ny fitondrana haparitaka eto Madagasikara amin’ny alalan’ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana.

Mety misy fifandraisany amin’izany angamba ny anton-dian’ny filoha Andry Rajoelina any an-toerana amin’ity herinandro ity.
Namana akaikin’ny tomponandraikitra ambony no tompon’ny orinasa nomena ny tolotra.

Niala maina kosa ireo mpisehatra madinika efa havanana amin’izany ao Antananarivo sy any amin’ny toeran-kafa.
Kinga amin’ny fanitsiana ireny fitaovam-pandrefesana toy ny mizàna tsy lany fitsaràna sy ny famoronana azy ireny ny mpisehatra madinika.

Mpiara-miasa akaiky amin’ny minisitera amin’izay lafiny izay izy ireo hatramin’izay.
Ananan’izy ireo ihany koa ny fahaiza-manao amin’ny famoronana sy ny famokarana io kapoaka manaram-penitra io.

Nodinganina tsotra izao kosa izy ireo amin’izao tetikasa famokarana fitaovam-pamarana vaovao izao.
Raha misy fitaovam-pamarana fampiasan’ny Malagasy isan’andro dia ny kapoakam-bary no azo antoka fa mitana ny voalohan-daharana.

Tsy anavahana sokajin’olona na saranga na finoana na firehana politika na fari-pahaizana na na volon-koditra na ambonivohitra sy ambanivohitra fa dia samy mandalo kapoaka avokoa ny vary izay foton-tsakafon’ny ankamaroan’ny Malagasy.

Ny boatin-drononon’ny orinasa Socolait any Antsirabe no navadika ho kapoaka famarana ny vary harotsaka am-bilany nanomboka tany amin’ny andian-taona faha-60 tany.
Tany amboalohany dia tena manome 1 kilao tsy banga tokoa ny 3 kapoaka sy tapany.

Voalaza ho nisy fihenany anefa ny habehan’ny kapoaka nampiasaina taty aoriana ka sady voafitaka ny mpanjifa no mihena ny miditra any am-bavan’ny mpihinana, saingy tsy tsapany akory izany.

Ambara fa tsy manara-penitra, noho izany, ny kapoaka famaram-bary koa tsy maintsy hirosoana ny fanoloana azy.
Efa raiki-tampisaka amin’ny fahazaran’ny Malagasy ny fampiasana ny kapoaka.

Tarafina amin’ireo karazam-pitenenana maro mifamatotra amin’ny kapoaka, izay raha adika tsotra dia sakafo (aina) sy fahakingana, izany.

Kapoakan’ny sasany tokoa ny manome tombony manokana ny akama sy manimba ny kapoakan’ny hafa eto amintsika.

Balita Raharisoa

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.