Tsenabe 4M : Misongadina amin’ity andiany voalohany ity ny fampiasana ny teknolojia vaovao
- vendredi, 18 décembre 2020 13:17
- Sary MICA
Tanterahina eny amin’ny Forello Expo Tanjombato nanomboka ny 17 Desambra 2020, ary hitohy hatramin’ny 20 Desambra ho avy izao ny Tsenabe 4M, na Madagasikara Mijoro-Miray hina-Mifaly, izay hetsika goavana mampivoitra karazana sampam-pamokarana maro hatramin’ny fisian’ny valan'aretina Covid-19.
Hasongadina manokana amin’ity andiany voalohany ity ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny alalan’ny fisian’ireo « webinaires » miaraka amina mpandraharaha efa matihanina manerana izao tontolo izao manodidina ireo lohahevitra misahana ny haitao vaovao.
Ankoatra ireo dia hisongadina manokana ihany koa ny fampiroboroboana ny vokatra Vita Malagasy sy ny fandraharahana eo amin’ny tanora ho famelomana indray ny toekarena eto amin’ny firenena.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Dans la même catégorie
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.