Hetra : Niakatra ny pantanty aloan'ireo fiara karetsaka

  • mercredi, 16 décembre 2020 09:22
  • Tahirin-tsary nindramina

Raha tsy niasa efa nihoatra ny 7 volana ireo fiara karetsaka noho ny hamehana ara- 

pahasalamana, dia hatairana ny an'ireo tompona fiara karetsaka, fa fisondrotana pantanty
indray no niandry azy ireo, nefa nanantena ny fanalefahana ny hetra alaina noho ny 7
volana tsy niasana.

Raha nandoa 150 000ariary isan-taona ny teto Antananarivo, dia lasa 170 000ariary isan-
taona izany ankehitriny. Ankoatran'ny fitsaràna fiara isaky ny 4 volana, ny DDT sy droit
de stationnement.

15 000ariary isan'andro eo amin'izao ny versement henjehan'ny taxi iray amin'ny
ankapobeny. Zara raha mahavita course 4 indray andro hoy ireo misehatra amin'izany, sady
tsy manam-bola ny olona, no lany andro anaty fitohanana, ny lasantsy lafo dia lafo, ny
fiara miha antitra sady tsy vita fikojakojana intsony.

Zara raha mitondra 10 000ar mody, rehefa afaka ny fandaniana rehetra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.