Lavanila: Hisokatra anio ny taom-piotazana saika manerana ny Nosy

  • mercredi, 15 juillet 2020 08:55

Faritra miisa sivy no mamokatra lavanila eto Madagasikara. Saika amin’ity 15 jolay ity avokoa no hisokatra ny taom-piotazana amin’ireo faritra ireo araka ny voafaritra amin’ny Didim-pitondrana iraisan’ny ministera laharana faha-9734/2020 nivoaka ny 20 may 2020, niarahan’ny ministeran’ny Fambolena sy fiompiana ary ny jono miaraka tamin’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana.

Voakasik’io Didim-pitondrana io ny Faritra Alaotra Mangoro, Analanjirofo (littoral), Atsimo Atsinanana, Atsinanana, DIANA (haut Sambirano), SAVA (littoral), Vatovavy Fitovinany ary Sofia (Befandriana/Bealanana/Mandritsara) zone basse.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.