Famokarana herinaratra: Natolorana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ny tetikasa « Sahofika »

  • mercredi, 17 juin 2020 19:33
  • Sary: MEDD

Natolotra ofisialy ny talata 16 jona 2020 ny fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana ho an’ny tetikasa Sahofika, fanorenana foibe famokarana herinaratra hatramin’ny 192 MW azo avy amin’ny rano, izay ho tanterahan’ny orinasa NEHO (Nouvelle Energie Hydroélectrique de l’Onive).

Tanjon’ity tetikasa goavana ity ny hamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina ho an’ny tambazotra mampifandray an'Antsirabe sy Antananarivo. Ny orinasa JIRAMA no hisahana ny fitsinjarana izany herinaratra izany.

Tafiditra anatin’ny asa tanterahana amin’izany ny fanorenana ny tohadrano amin’ny reniranon’i Onive, ao Ambatotsipihina, ny fanajariana lalan-johy ary ny ozinina famokarana herinaratra. Isan’ny tanterahana ihany koa ny fananganana fotodrafitrasa hamoahana ny herinaratra sy izay ilaina amin’ny fanorenana sy ny fitrandrahana atao amin’ity ivon-toerana ity. Maharitra 5 taona ny fanorenana ity ivon-toerana ity, ary 35 taona kosa no faharetan’ny fitrandrahana atao aminy.

Ankoatra ny fanadihadihana ny fiantraikan’ny fitrandrahana amin’ny tontolo iainana sy ny olombelona dia nanatanteraka fakan-kevitra ihany koa ny mpanatanteraka ny tetikasa tamin’ireo Fokontany enina, Kaominina enina ary Faritra roa izay voakasik’izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.