Toaka Gasy: Nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena ny hamokarana sy hivarotana azy
- mardi, 16 juin 2020 20:11
- Sary nindramina
Solombavambahoaka miisa 72 no nandany tsy nasiam-panovana ny tolo-dalàna laharana faha 03/2019 mikasika ny famokarana sy fivarotana ny toaka gasy, natolotry ny Solombavambahoaka voafidy tao Ikongo, sady Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny Faritany Fianarantsoa, Razafitsiandraofa Jean Brunel, ny talata 16 jona 2020 folakandro teny amin’ny CCI Ivato.
Ho fampanarahan-dalàna sy fampanaraham-penitra ireo fepetra famokarana sy famarotana ny toaka gasy, no antony ary heverina fa hanana anjara toerana eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ho fanandratana ny « Vita malagasy », hoy ireo nandany ity tolo-dalàna ity.
Raha tsy misy fiovana dia ny 23 jona izao no handalo ny fivoriana itambarabe eo anivon’ny Antenimierandoholona ity tolo-dalàna ity.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://sobikamada.com/index.php/economie/item/23715-toaka-gasy-nankatoavin%E2%80%99ny-antenimieram-pirenena-ny-hamokarana-sy-hivarotana-azy.html#sigProGalleria8a97398460
Dans la même catégorie
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.