Fanamboaran-dalana: 2 millions de dollar ny 1km

  • mardi, 16 juin 2020 13:53
  • Sary nindramina

Maro ianareo no nanontany hoe possible ve izany lalana au norme 2 millions de dollar izany ny 1km, tsy misy gros oeuvre na pont.

Any amin'ny firenena mandroso, lafo ny karaman'ny mpiasa, ary mivelatra kokoa ny lalana dia miakatra hatrany amin'ny 6 millions de dollar ny 1Km.

- Manao lalana dia mila fandrefesana mialoha, levée topographique, andao tsy resahina aloha ny vola lany amin'izany.
- Mila manao étude du sol, étude de terrain, apetratsika ery amin'ny sisiny koa iny.
- Mila manao terrassement, izany hoe ampitoviana tantana, trongisina ny tany, mbola ampangalantsika sisiny koa iny
- Mila totoina koa ny tany, hitatsika amin'ireny cylindre mavesatra be ireny mivezivezy, misy isany iny fivezivezeny iny fa tsy hoe mandalo indray mandeha fotsiny, ampangalatsika sisiny koa iny
- Andao kajiana kely fotsiny ny goudron lany, tsy isaintsika ny vatokely miaraka aminy

Lalana au norme dia 12m eo no sakany, izany efa kely fa andao atao amin'io aloha. 30cm eo ny hatevin'ny goudron ankoatr'ireo couche miaraka aminy rehetra, izay mbola tokony hisy vatokely matevina totoina ho fanambaniny.

Raha ny volume total goudron izany ilaina hanaovana 1km na 1000m, dia = 0.3 x 12m x 1000m = 3 600m3.

Ny barika iray amin'ny goudron dia 150 000ariary ny 200l na 0.2m3.
Izany hoe ny goudron ilaina = 3 600m3/0.2m3 = 18 000 barils goudron
Total= 18 000 barils x 150 000 ariary = 2 700 000 000 ariary = 720 000 dollars, tsy misy vatokely, tsy misy transport..

Vao ny goudron izany dia efa misasaka ny vola lany.

i Maroc nanamboatra autouroute 1 500km tamin'ny vidiny 3 milliard d'euro ny taona 2016. Nanao lalana autoroute 6 voies izy 400km mitetina 4 milliards d'euro. Izany hoe 10 millions euro par km, ary 1 666 666 euro par voie. Ka raha 2 voie izany ny antsika dia efa 3 333 333euro, nefa ny antsika mbola norme route nationale fa tsy autoroute, dia ny 2 millions de dollar ( 7.5 miliara ariary na 1 800 000 euro) dia efa mitsitsy mafy.

Hafa indray raha hanao lalan-tany na pavé, izay azo atao izay, fa fantatra koa ny vokatr'izay amin'ny fahasimban'ny fiara mandeha eo aminy.

Mety azontsika an-tsaina angamba naninona ilay orinasa malaza eto amintsika no nandà tsy hanao ny lalana tany Fenoarivo antsinanana, satria noterena ho vitaina 40 miliara ariary ilay lalana, izy anefa orinasa miasa manaraka norme, dia iny nomena orinasa nanao tablier béton armé efa 50cm ny elanelany iny, voalaza moa izy iny fa garantie 30 taona ka dia asa izy zay.

Mirary soa e
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.