Fambolena: Nisy fikorontanana ny famatsiana ny tsena sy fahasarotan’ny famoahana vokatra

  • lundi, 08 juin 2020 19:58
  • Sary: Antenimierandoholona

Nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara tetsy amin’ny Lapan’Anosikely androany alatsinainy 08 jona 2020 maraina ny Minisitry ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono Ranarivelo Lucien Fanomezantsoa, ka tamin’izany no nambarany fa nisedra olana be mihitsy ny mpamboly eny ambanivohitra mandritra ity fihiboana tamin’ny ampahany iny, noho ny valanaretina Covid-19.

Misy ny fikorontanana eo amin’ny famatsiana ny tsena sy ny fahasarotan’ny famoahana vokatra, hoy izy ka hita soritra ny fihenan’ny vola miditra tamin’izy ireo.

Nolazainy fa ankehitriny, ny zava-dehibe ho an’ny Ministera dia ny fitsinjovana ny maitso ahitra. Tsy maintsy maka ny fepetra rehetra ny Ministera mba ahafahana manatratra ny tanjona dia ny fahavitantena ara-tsakafo izany.

Tokony hamafisina faran’izay haingana hoy ny minisitra Ranarivelo Lucien ny famokaram-bary, jerena manokana ireo paikady entina hanalalahana ny fazahoana ireo masomboly sy ny zezika, ary koa ny fandaminana ny lalam-barotra, ny fitahirizana vokatra, ny vidim-bokatra eny amin’ny mpambongady sy ny mpivarotra, ahena ny fanafarana ireo entana ara-tsakafo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.