Vakinankaratra: Mpiasa 3 000 isa amina orinasa afakaba ho very asa ato ho ato

  • samedi, 06 juin 2020 15:05
  • Tahirin-tsary

Mpiasa manodidina ny 3 000 isa no fantatra fa hiato amin’ny asany manomboka ny 15 Jona ho avy izao. Orinasa afakaba isany lehibe eto Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra ity hampiato ny mpiasa ao aminy ity, vokatry ny fihibohana noho ny valan’aretina Covid-19.

Fantatra mantsy fa tsy afaka manondra sy mandray famandriahana asa avy any ivelay intsony ny orinasa ka tsy maintsy hiato, ka olona manodidina ny 700 eo ho eo sisa no hampihodina sy hanao izay asa kely mbola tsy vita, kaomandy efa nialohan’ny fihibohana.

Raha ny fanazavana avy tamin’ireo mpiasa ihany dia io 15 Jona io no miato avokoa ny mpiasa rehetra aloha ka mialohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 22 jona no miverina avokoa, ary mivoaka ny lisitry ny mpiasa 700 sisa ho tazonina, ary ireo miato kosa dia homena fanomezana toy ny fanao isaky ny fetim-pirenena.

Mampimenomenona ny mpiasa moa ny fifantenana ireo mpiasa ho tazonina satria tsy ambara mazava ny mason-tsivana momba izany, satria tato ato dia efa misy ny antsojay atao amin’ny mpiasa manao hadisoana madinidinika mba hanasaziana azy ka ahafahana mampiditra azy ireo amin’ny fampiatoana azy.

Ankoatra izay dia mitaintaina mafy ireo mpivady miara-miasa ao satria hiaraka ho tapaka sotro fihinanana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.