Vokatry ny Covid-19: 10 600 ireo mpiasa voaroaka tamin’ny asany tamina orinasa tsy miankina 216

  • vendredi, 05 juin 2020 15:25
  • Sary EDBM

Nanao fanadihadiana mikasika ireo voka-dratsy nateraky ny fisian’ny valan’aretina Covid-19 tamina orinasa tsy miankina miisa 216 ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) ka fantatra tamin’izany, araka ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, nentin’i Ravalomanda Andry Tiana, Tale jeneralin’ny EDBM tao amin’ny Antenimierandoholona, ny alakamisy 04 jona 2020, fa betsaka no nampiato vonjimaika ny orinasany, ao koa ireo tena nanakatona tanteraka.

Amin’izao fotoana izao dia nambarany fa nidina hatrany amin’ny 91% ny «Chiffres d’affaires» an’ireo orinasa ireo, mahatratra 27% ny tahan’ny fandroahana mpiasa. Efa miisa 10 600 ireo mpiasa voaroaka tamin’ny asany amin’izao fotoana izao, raha 60% amin’ny sehatry ny lamba, tamin'ireo orinasa tsy miankina 216 nanaovana fanadihadiana.

Nolazaina fa ny sehatra anabakabaka, ny fizahantany, ny ara-toeram-pisakafoana (restauration), ny fitaterana ary ny sehatry ny ara-indostria no tena tra-pahasahiranana amin’izao fotoana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.