Economie

    • mercredi, 17 juin 2020 19:33
    • Sary: MEDD

    Famokarana herinaratra: Natolorana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ny tetikasa « Sahofika »

    Natolotra ofisialy ny talata 16 jona 2020 ny fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana ho an’ny tetikasa Sahofika, fanorenana foibe famokarana herinaratra hatramin’ny 192 MW azo avy amin’ny rano, izay ho tanterahan’ny orinasa NEHO (Nouvelle Energie Hydroélectrique de l’Onive). Tanjon’ity tetikasa goavana ity ny hamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina ho an’ny tambazotra mampifandray an'Antsirabe sy Antananarivo. Ny orinasa JIRAMA no hisahana ny fitsinjarana izany herinaratra izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 juin 2020 17:10
    • sary fampihaingoana

    Trosan'i Madagasikara: Mitentina 4.5 milliards de dollars na 15 000 miliara ariary ny taona 2018

    Faran'ny taona 2018 dia nahatratra 11 449,7 miliara ariary na 3 452,9 millions USD ny trosa ivelan'i Madagasikara, izay 76.7% n'ny trosa rehetra, raha heverina ahatratra 11 732.3 miliara ariary izany ny taona 2020. Trosa nifanarahana tamin'ny fifanarahana amin'ireo mpamatsy vola Organismes multilatéraux. Ny trosa anatiny kosa, izay trosa avy eto an-toerana, dia mandrakotra ny 23.3% mitentina 3 483.9 miliara ariary, na 1 050.6 millions USD ny taona 2018, ary novinaina ho 3 877.2 miliara ariary ny taona 2019. (Loharano Teti-bola 2020, sary fampihaingoana)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 juin 2020 20:11
    • Sary nindramina

    Toaka Gasy: Nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena ny hamokarana sy hivarotana azy

    Solombavambahoaka miisa 72 no nandany tsy nasiam-panovana ny tolo-dalàna laharana faha 03/2019 mikasika ny famokarana sy fivarotana ny toaka gasy, natolotry ny Solombavambahoaka voafidy tao Ikongo, sady Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny Faritany Fianarantsoa, Razafitsiandraofa Jean Brunel, ny talata 16 jona 2020 folakandro teny amin’ny CCI Ivato. Ho fampanarahan-dalàna sy fampanaraham-penitra ireo fepetra famokarana sy famarotana ny toaka gasy, no antony ary heverina fa hanana anjara toerana eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ho fanandratana ny « Vita malagasy », hoy ireo nandany ity tolo-dalàna ity. Raha tsy misy fiovana dia ny 23 jona izao no handalo ny fivoriana itambarabe eo anivon’ny Antenimierandoholona ity tolo-dalàna ity. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 juin 2020 13:53
    • Sary nindramina

    Fanamboaran-dalana: 2 millions de dollar ny 1km

    Maro ianareo no nanontany hoe possible ve izany lalana au norme 2 millions de dollar izany ny 1km, tsy misy gros oeuvre na pont. Any amin'ny firenena mandroso, lafo ny karaman'ny mpiasa, ary mivelatra kokoa ny lalana dia miakatra hatrany amin'ny 6 millions de dollar ny 1Km. - Manao lalana dia mila fandrefesana mialoha, levée topographique, andao tsy resahina aloha ny vola lany amin'izany.- Mila manao étude du sol, étude de terrain, apetratsika ery amin'ny sisiny koa iny.- Mila manao terrassement, izany hoe ampitoviana tantana, trongisina ny tany, mbola ampangalantsika sisiny koa iny- Mila totoina koa ny tany, hitatsika amin'ireny cylindre mavesatra be ireny mivezivezy, misy isany iny fivezivezeny iny fa tsy hoe mandalo indray mandeha fotsiny, ampangalatsika sisiny koa iny- Andao kajiana kely fotsiny ny goudron lany, tsy isaintsika ny vatokely miaraka aminy
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 juin 2020 19:58
    • Sary: Antenimierandoholona

    Fambolena: Nisy fikorontanana ny famatsiana ny tsena sy fahasarotan’ny famoahana vokatra

    Nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara tetsy amin’ny Lapan’Anosikely androany alatsinainy 08 jona 2020 maraina ny Minisitry ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono Ranarivelo Lucien Fanomezantsoa, ka tamin’izany no nambarany fa nisedra olana be mihitsy ny mpamboly eny ambanivohitra mandritra ity fihiboana tamin’ny ampahany iny, noho ny valanaretina Covid-19. Misy ny fikorontanana eo amin’ny famatsiana ny tsena sy ny fahasarotan’ny famoahana vokatra, hoy izy ka hita soritra ny fihenan’ny vola miditra tamin’izy ireo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 juin 2020 20:12

    Sandambola: Tsy nitsaha-nitotongana ny « Ariary » niohatra amin’ny « Euro » tamin’ity herinandro ity

    4 248,85 Ariary no takalon’ny 1 Euro, ary io no fitontonganana be indrindra niseho tato anatin’ny iray volana izao.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 juin 2020 15:05
    • Tahirin-tsary

    Vakinankaratra: Mpiasa 3 000 isa amina orinasa afakaba ho very asa ato ho ato

    Mpiasa manodidina ny 3 000 isa no fantatra fa hiato amin’ny asany manomboka ny 15 Jona ho avy izao. Orinasa afakaba isany lehibe eto Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra ity hampiato ny mpiasa ao aminy ity, vokatry ny fihibohana noho ny valan’aretina Covid-19. Fantatra mantsy fa tsy afaka manondra sy mandray famandriahana asa avy any ivelay intsony ny orinasa ka tsy maintsy hiato, ka olona manodidina ny 700 eo ho eo sisa no hampihodina sy hanao izay asa kely mbola tsy vita, kaomandy efa nialohan’ny fihibohana. Raha ny fanazavana avy tamin’ireo mpiasa ihany dia io 15 Jona io no miato avokoa ny mpiasa rehetra aloha ka mialohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 22 jona no miverina avokoa, ary mivoaka ny lisitry ny mpiasa 700 sisa ho tazonina, ary ireo miato kosa dia homena fanomezana toy ny fanao isaky ny fetim-pirenena.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 juin 2020 15:25
    • Sary EDBM

    Vokatry ny Covid-19: 10 600 ireo mpiasa voaroaka tamin’ny asany tamina orinasa tsy miankina 216

    Nanao fanadihadiana mikasika ireo voka-dratsy nateraky ny fisian’ny valan’aretina Covid-19 tamina orinasa tsy miankina miisa 216 ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) ka fantatra tamin’izany, araka ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, nentin’i Ravalomanda Andry Tiana, Tale jeneralin’ny EDBM tao amin’ny Antenimierandoholona, ny alakamisy 04 jona 2020, fa betsaka no nampiato vonjimaika ny orinasany, ao koa ireo tena nanakatona tanteraka. Amin’izao fotoana izao dia nambarany fa nidina hatrany amin’ny 91% ny «Chiffres d’affaires» an’ireo orinasa ireo, mahatratra 27% ny tahan’ny fandroahana mpiasa. Efa miisa 10 600 ireo mpiasa voaroaka tamin’ny asany amin’izao fotoana izao, raha 60% amin’ny sehatry ny lamba, tamin'ireo orinasa tsy miankina 216 nanaovana fanadihadiana. Nolazaina fa ny sehatra anabakabaka, ny fizahantany, ny ara-toeram-pisakafoana (restauration), ny fitaterana ary ny sehatry ny ara-indostria no tena tra-pahasahiranana amin’izao fotoana izao. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 31 mai 2020 15:17
    • Sary fampiaingoana

    Lavanila: 350 taonina tavela tsy afaka naondrana

    Hikatona ny 31 may 2020 ny fanondranana lavanila ho an’ity taona ity. Tombanana eo amin’ny 350 taonina eo ny lavanila masaka nihitsoka tsy mahatratra io fe-potoana io ka tavela, izay fatiantoka ho an’ny mpanangom-bokatra ary vola vahiny tokony hiditra amin’i Madagasikara nefa votsotra.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mai 2020 12:46
    • Sary nindramina fampiaingoana

    Eoraopa: Hizotra ho any amin'ny Fiarakodia elektrika

    Raha 6% amin'izao ny tahan'ny fiara mandeha amin'ny herinaratra, na batterie, dia hivoatra aingana be ho lasa 50% any Eoraopa afaka 5 taona. Manararoatra mametraka ny drafitra fanovana avokoa ireo orinasa lehibe mpanamboatra fiarakodia amin'izao krizy maneran-tany ateraky ny Covid-19 izao. Hiova arak'izany ny asa sy ny fomba fiasa, satria dia ny akora sy ny fanamboarana batterie izany no iainga, fa hihena avokoa ny resaka solika, na dia mbola tsy lefy aza izy.    
    Lire la suite ...
Page 10 sur 73