Economie

    • mercredi, 09 septembre 2020 11:02
    • Sary Njaka

    ACCORD KNITS ANDRAHARO: Mpiasa manodidina ny 400 no voatery ho “chômage technique”

    Mpiasa amin’ny orin’asa mpanodina akanjo manodidina ny efajato no nalefan’ny tompon’andraikitra mpitantana ho “chômage technique”, izany dia noho ny antony tsy mbola mazava amin’ireo mpiasa izay voakasik’izany. Tsy misy ny fanomezana pré-avis fa dia ny ambin-karama sisa no homen’ny tompon’ny orin’asa. Araky ny filazan’ireo mpiasa moa dia misy hatrany anefa ireo olona vaovao hampidirina miasa ao amin’ity orin’asa ity, ka mapametra-panontaniana azy ireo. Marihina moa fa efa mpiasa tranainy ny ankabetsahan’ireo voakasika izao fampitsaharana miasa izao. Ka mampiantso ny mpanao gazety izy ireo ny alakamisy maraina eny ANDRAHARO ho fanazavana misimisy kokoa mahakasika izany olana sedrain’ireo mpiasa izany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 04 septembre 2020 21:04
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana, Maromamy- Brickaville: Lamesa manokana

    Tonga nitarika Lamesa manokana tao amin'ny Orinasa SASM ny Kardinaly TSARAHAZANA Desiré, notronin'ny Père Vicaire Général. Nanatrika izany ny Governora RAFIDISON Richard Théodore sy ny Préfet RAZAFIARISON Jean Jugus, ary ny mpitantana ny orin'asa SASM (Tale jeneraly, filankevi-pitantanana) sy mpiasa marobe notarihin'ny Talen'ny orin'asa.
    Lire la suite ...
    • samedi, 29 août 2020 20:00
    • Sary nindramina

    Akinwumi Adesina: Voafidy fanindroany ho filohan’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana

    Nanamafy ny fitokisany amin’ity teratany Nizeriana ny 100% ny mpifidy, ary dia voafidy fanindroany ho filohan’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana i Akinwumi Adesina. Dimy taona ny fe-potoana iasany amin’izany. Maro ny tetikasa fampandrosoana vatsian’ny BAD eto Madagasikara. Efa in-droa nitsidika teto i Akinwumi Adesina, ny taona 2016 sy ny taona 2019, nitarika fivoriana iraisam-pirenena ary koa nijery ireo tetikasa vatsian’ny BAD vola. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 août 2020 13:15

    Aza afangaro ny business sy ny sosialy

    Izaho olona mpandraharaha, ary tsy misy sentiment na resaka fanampiana ny fandraharahana, le client est roi raha mandoa vola izy, raha tsy mandoa vola dia tribunal, huissier, saisie no resaka. Le bon compte fait des bons amis en business, tsy midika fa hanao toetra ratsy akory izany, fa mety misy ady varotra, arrangement payement, fa rehefa nifanaraka dia samy mitazona ny teniny. Zavatra matetika mpitranga ny hoe, niadian'ny client varotra 200 000ar ilay entana na ilay asa, nefa tsy nomenao azy, nefa avy eo entinao restaurant indray izy handanianao 300 000ar, efa resaka samy mpinamana indray iny, na tafiditra amin'ny politique de fidélité gros client. Ny banky fampindramam-bola dia business fa tsy sosialy, ka aza afangaro ny resaka, raha te hanao asa sosialy dia mitadiava vola dia omeo izay sahirana. Ny olona sahirana tsy ampindramim-bola, satria anampy trotraka ny fahasahiranany izany, fampahantrana azy izany. Aoka ny orinasa no ampindramim-bola ka hamokatra ampidirany mpiasa miasa, na terena izay orinasa ampindramim-bola tsy akana zana-bola hapakatra ny karaman'ny mpiasany, na ilay zana-bola tsy naloany 15-20% iny ihany aza. Patrick
    Lire la suite ...
    • vendredi, 21 août 2020 18:56
    • Sary nindramina

    Ozinina STAR: Miverina mihodina ny Antsirabe rehefa niato iray volana

    Niara-nitsidika ny ozinina famokarana zava-pisotro STAR tany Antsirabe ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana Rakotomalala Lantosoa sy ny Tale Jeneralin’ny STAR, Marc Pozmentier, ny Talata 18 aogositra lasa teo. Notanterahan’izy ireo nandritra izany fitsidihana izany ny famerenana ny fampandehanana indray ny asa famokarana.Manantena ihany koa ny STAR fa hiverina hiodina tsy ho ela ny ozinina Ambatolampy, izay nitsahatra tsy niasa nanomboka ny voalohan’ny volana mey. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 17 août 2020 16:41

    Fandraharahana: Tsy voaloa ny fameranam-bola, ny banky tsy te halala

    Maro ireo orinasa na olon-tsotra nitrosa vola tamin'ny banky na micro-cred, izay nametraka antoka, nefa noho ny fahamehana ara-pahasalamana sy ny krizy nateraky ny valan'aretina Covid-19, dia very asa, na mikatona ny orinasa, dia tsy voaloa ireo trosa eny anivon'ny mpampindram-bola. Nisy ny kabarin'ny Filoham-pirenena ny ampiatoana ny fitakiana ireo trosa, nefa tsy narahina didim-panjakana izany, ka dia mody manao be marenina ireo banky sy micro-cred. Betsaka ireo tompon'ny orinasa no kivy sy miraviravy tanana, tsy mahita izay ho sarangotina, fa dia miandry ny fidonany sisa, misy ireo mamoifoy mihitsy aza, mandraiky marary.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 17 août 2020 13:51
    • Sary nomena

    Faritra ATSINANANA: Fametrahana « PEPINIERE AGRICOLE » isaky ny Distrika

    Fanambin’ny ekipan’ny Governora RAFIDISON Richard Théodore ny hametrahana « PEPINIERE AGRICOLE » isaky ny Distrika manerana ny Faritra Atsinanana. Ilaina tokoa mantsy izany amin’ny fanamby lehibe hanaparitaka voly avotra sy voly fanondrana isan-karazany sy hampitomboana ny velaran-tany voavoly. Manomboka tsikelikely izany, ny DRAEP Atsinanana sy ny Sampana isaky ny Distrika koa moa efa nanomboka izany rahateo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 13 août 2020 16:42

    2021: Tombanana hahatratra hatramin’ny 4,1% ny fitombon’ny harinkarena faobe

    Heverina hahatratra hatramin’ny 4,1% ny fitombon’ny harinkarena faobe miainga avy amin’ny fampiasam-bola ankapobeny izay heverina ho 22,6%.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 12 août 2020 16:17

    Famarotana entana azo hanina: Mila fahazoan-dalana avokoa

    Namoaka naoty fampatsiahivana ireo lalàna misy ny ministeran'ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana, tamin'ny 10 aogositra 2020, fa ireo mpanafatra entana azo hanina, na ireo mpamokatra eto an-toerana dia tsy mahazo mivarotra ireo entana azo hanina raha tsy nahazo fahazoan-dalana avy amin'ny sampan-draharahan'ny ministeran'ny varotra eny anivon'ny Faritra isan-tokony. Voakasik'izany ihany koa ireo mpampongady sy mpanelanelana izay raisina ho tompon'antoka ihany koa raha mivarotra entana azo hanina tsy nahazoana fahazoan-dalana mialoha. Ireo entana rehetra azo hanina tsy manana izay fahazoan-dalana hamidy izay dia giazina avy hatrany, ary esorina eny amin'ny tsena.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 11 août 2020 19:09
    • Sary nindramina

    Tohana ho an’ny fizahantany: Tena adino tanteraka i Ranohira Isalo

    Toerana manana ny lazany amin’ny fizahantany eto Madagasikara i Isalo, ao amin’ny Kaominina Ranohira, Faritra Ihorombe. Toerana faharoa mahasarika mpizahatany betsaka aorian’i Nosy-Be izy. Voadona mafy tao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina coronavirus izao ny fizahantany ao Isalo. Mahatsiaro tena adino tanteraka ity faritra ity sy ireo mpisehatra ara-pizahantany ao an-toerana.
    Lire la suite ...
Page 7 sur 73