Economie

    • samedi, 03 octobre 2020 14:16
    • Photos Fournies

    Electricité: La Jirama dotée de gros groupes électrogènes

    De gros groupes électrogènes continuent d’arriver pour renforcer la production de la société d’Etat Jirama. Un de ces gros matériels était, acheminé sur Antananarivo depuis le port de Toamasina à bord d’un convoi exceptionnel escorté par des militaires les 18 et 19 septembre. L’acquisition de ces biens de production se fait dans le cadre du Projet d’amélioration de la gouvernance et des opérations du secteur électrique (PAGOSE) financé par la Banque mondiale à hauteur de 65 millions de dollars. Le projet initial approuvé le 23 mars 2016 par le conseil d’administration de la Banque était prévu pour trois ans.Mais, à son stade actuel, il s’étendra jusqu’au 31 décembre 2021.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 30 septembre 2020 13:07

    Andohatapenaka: Ho asiana toerana hivarotana « voiture d’occasion »

    Tetikasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny hametraka toerana hivarotana « voiture d’occasion » etsy Andohatapenaka akaikin’ny kianja Maki. Kasaina hovitaina alohan’ny faran’ity taona ity ny asa.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 septembre 2020 20:39

    Fitaterana anabakabaka: Nisitaka ihany koa Ethiopian

    Araka ny lamina napetraky ny mpitondra dia hisokatra amin'ny zotra ivelany i Nosy be manomboka ny 1 oktobra 2020. Nametraka fangatahana teo anivon'ny ACM sy ny ministeran'ny fitaterana ny kompania Ethiopian ahafahany miasa ampitohy ny any ivelany amin'ny Nosy Be. Nahazo alalana izy narahina fepetra maro, anisan'izany ny fitondrany ihany mpizahatany manana tapakila mandroso sy miverina.Tsy azony atao izany ny mitondra ireo tera-tany na monina eto an-toerana, hanainga hanao sera any ivelany na amangy fianakaviana, tsy azony atao ihany koa ny mitatitra ireo voahidy any ivelany nanomboka ny volana mars 2020 hiazo an'i Nosy be.
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 septembre 2020 16:07
    • Sary OMH

    Sandan'ny pétrole: 40.60$ ny baril

    Raha tsy nihetsika tamin'ny vidiny ny solika teto Madagasikara, ny lasantsy 4 100ar, ny gazoala 3 400ar, ny solika fandrehatra 2130ar nanomboka tamin'ny 20 jona 2019, dia nihena hatrany izany vidi-tsolika izany teo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Nisy fiakarany kely izy io andro vitsy 1.2%, ka manodidina ny 40.60$ ny baril solika amerikanina WTI, mbola tsy voadio, amaritana ny vidiny eo amin'ny bourse de New York, raha 41.53$ kosa ny baril n'ny Brent, solika Arabo, Afrika ary any Eoropa avaratra. Ny baril dia eo amin'ny 159 litres eo. Fa amin'ny tonne no famarotana azy io 1tonne = 1208 litres.Ny solika mbola tsy voadio, tsy misy fitaterana sy hetram-panjakana izany dia any amin'ny 0.26$ na 1010,36 ariary ny litatra.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 28 septembre 2020 13:10

    Toe-karena: Tsy mitsaha-miakatra ny sandan'ny vola vahiny

    Ny zoma 25 septambra dia tafiakatra Ar 3 873,57 ny dolara amerikanina USD, ary Ar 4 512,46 ny 1Euro. Mitontongana arak'izany ny vola malagasy MGA na Ariary. Tamin'ity volana septambra ity dia tsy nidina ambanin'ny 4500 ariary mihitsy ny 1Euro, raha niodidina ny 3800ariary hatrany ny dolara amerikanina.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 28 septembre 2020 10:47
    • Tahirin-tsary fanehoana

    Fifamoivoizana: Noraran'ny Frantsay tsy higadona any Frantsa ny zotra Air Madagasikara

    Noho ny tsy faneken'ny fitondrana malagasy ny hitondran'ny sidina Air France mpandeha avy any Paris hiazo an'Antananarivo, na dia manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana, dia nandrara ny ahatongavan'ny zotra Air Madagascar ny alatsinainy 28 septambra higadona any Paris ihany koa Lafrantsa. Izany, hoy hatrany ny fanambarana, dia ny fampitoviana lenta ara-barotra eo amin'ny kaompania roa tonta, ka samy ho afaka hitondra mpandeha mandroso sy miverina.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 13:58
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Fampiroboroboana ny fambolena Papaye SOLO

    Miroborobo tokoa satria mora ambolena ary tian’ny tany aty Atsinanana ny Papaye SOLO. Ankoatra ny karazany efa misy an-taonany maro, dia nampidirin’ny CTHT na Centre Technique Horticole de Toamasina teto amin’ny faritra tamin’ny taona 2005 ny PAPAYE SOLO, ary tamin’ny taona 2006 kosa ny FORMOSA sy ny SUNRISE. Ny papaye na PAZA na VOAPAZA, dia voankazo avy agny Mexique sy Amerika afovoany, nampidirina teto Madagasikara tagny amin’ny taon-jato faha-XIX avy tao amin’ny nosy La Réunion.Anarana siantifika: « Carica papaya », voankazo fianakaviamben’ny « Caricaceae ».
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 12:54
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Famokarana ANGOVO

    Miara-manaiky amin’ny rehetra ny Governoran’ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore, fa antoka voalohany ho an’ny fampandrosoana ara-indostria vaventy sy salantsalany, ny fananana angovo. Milaza koa Andriamatoa Governora fa ny Faritra Antsinanana tantaniny dia manana akora maro, ka afaka mampiroborobo ny «Energies renouvelables» na angovo azo havaozina. Raha tsy hilaza fotsiny isika ny «Energie hydro-électrique» na ny azo avy amin’ny Rano, amin’ny fananana renirano lehibe sy matanjaka toy ny Mangoro any Mahanoro, Rianila any Brickaville, ary Ivondro sy Ivoloina sy Onibe ao Toamasina2. Ka ny fotodrafitr’asa lehibe no sisa tsy ampy. Noho ny fanasan’ny Orin’asa JIRAMA, sy noho ny faniriany manokana, dia nandeha nitsidika tany an-toerana ny Governora sy ny ekipany: - VOLOBE 1: Tetik’asa natao tamin’ny taona 1931, goavana sy moderina ary namaly ny filàna io tetik’asa io tamin’izany fotoana izay ary namokatra herinaratra 6 Mégawatts. Nasiam-panavaozana natetika taty aoriana, ary mbola manampy mamatsy an’i Toamasina hatramin’izao. Volobe 1 dia ao amin'ny Kaominina ambanivohitra Ambodilazana, 50km mitsofoka eo Fanandrana, Distrika Toamasina 2
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 septembre 2020 22:01
    • Photo Net

    Andasibe: Les touristes commencent à revenir

    Petit à petit, les activités écotouristiques à Andasibe ont repris leur souffle à la suite de la réouverture du parc d’Analamazaotra le 5 septembre dernier. Les touristes – nationaux et étrangers – sont revenus, même en nombre encore réduit, après six mois de confinement marqués, entre autres, par la fermeture de tous les sites touristiques. « Nous recevons une trentaine ou quarantaine de clients par jour durant le week-end contre pas plus de 5 touristes par jour durant tout le reste de la semaine », dit un employé de Madagascar National Parks (MNP). L’agence gouvernementale, qui gère un réseau de 43 parcs nationaux, a décidé de les rouvrir aux visiteurs en faisant appliquer un protocole sanitaire spécifique.
    Lire la suite ...
    • samedi, 12 septembre 2020 15:14
    • Sary nindramina

    Lalam-pihariana hazo: Nisy ny fihaonana nitadiavam-bahaolana teo amin’ny ministera sy ny mpandraharaha

    Ny volana janoary 2019 ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy - MEDD - dia namoaka naoty laharana N°01/19/MEDD izay mandrara ny fitrandrahana ny hazo. Tafiditra tao anatin’izany na ny hazo sarobidy na ny hazo tsotra. Vokatr’izany dia mandalo kirizy mavesatra ireo orinasa ara-dalana mpisehatra amin’ny fitrandrahana sy fanodinana hazo eto Madagasikara, ary efa misy ny manakatom-baravarana vokatry ny tsy fisian’ny akora ho ampiasaina. Nangataka fihaonana tamin’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy izy ireo mba hijerena miaraka ny vahaolana amin’ny seham-pihariana sahaniny. Notanterahina ny zoma 11 septambra izany fihaonana nitadiavam-bahaolana teo amin’ny roa tonta izany, izay notarihin’ny Minisitra Raharinirina Baomiavotse Vahinala, sy ny tompon’andraikitra avy amin’ireo orinasa maro, toy ny : Hazovato, Bonet, Tropical Woods, GNEFEM, Kidoro, Eben Menuiserie, Kinga,…
    Lire la suite ...
Page 6 sur 73