Economie

    • samedi, 18 avril 2020 17:05
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Lavanila halatra 118 kg nopotehina avy eo nodorana

    Tonga niatrika ity famotehana lavanila ity i Tokely Justin, Governora Faritra SAVA, ka tamin'izany no nanambarany fa : « tsy handefitra ary mampitandrina izay manimba ny toe-karena amin'ny fiotazana lavanila tsy mbola matoy sy ny fividianana halatra ka hampihatra ny lalàna velona amin’izay rehetra tratra amin'izany » Nipotehina omaly 17 aprily 2020 tao amin'ny tobi-paritry ny Zandarimaria Sambava, ary natrehin’ireo avy amin'ny Plateforme filière vanille SAVA (PRCP-SAVA), ireo lavanila tsy matoy milanja 118kg, izay halatra ary efa nandrahoina. Mbola nahitana lavanila maitso 3kg hafa koa.
    Lire la suite ...
    • samedi, 18 avril 2020 11:47

    Ady amin’ny Covid-19: Mila 114 miliara dolara i Afrika

    Tombanana any amin’ny 114 miliara dolara no ilain’i Afrika hiatrehany ny ady amin’ny Covid-19 amin’ity taona 2020 ity, araka ny tatitry ny Firenena Mikambana. Efa hita ny 57 miliara dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Ireo tsy miankina ihany koa nanohana 13 miliara dolara. Mbola banga 44 miliara dolara ny filàna.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 18 avril 2020 11:37
    • Tahirin-tsary fampiaingoana nindramina

    Etazonia: 19 miliara dolara ny tohana ara-bola ho an’ny tantsaha amerikana

    Nampahafantatra ny fandaharanasa ho fanohanana ny tantsaha amerikana ny filoha Donald Trump hiatrehana ny Coronavirus. Mitentina 19 miliara dolara ny tohana ara-bola ho an’io fandaharanasa io.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 14 avril 2020 18:11

    FMI, Frantsa: Samy nanambara ny hanalefaka ny trosan’ireo firenena mahantra

    Taorian’ny nataon’i Papa François ny Alahadin’ny Paka 2020 mba hanalefahana, eny hanafoanana mihitsy ny trosan’ireo firenena mahantra, manoloana ity valanaretina Coronavirus manenika an’izao tontolo izao ity, dia nifandimby nanambara, na ry zareo Frantsay, izay nohamafisin’ny filoha Emmanuel Macron tamin’ny kabariny ny alin’ny alatsinainy 13 aprily fa hamafa ny ampahany betsaka amin'ny trosan’i Afrika, toy izany koa ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), ity farany izay namaritra taorian’ny fivoriany omaly 13 aprily 2020, fa firenena mahatra miisa 25 manerana an’izao tontolo izao no hahazo fanalefahan-trosa avy aminy, ka ny 19 amin’ireo dia aty Afrika, anisany i Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 09 avril 2020 10:57

    Covid-19: la Banque africaine de développement crée un fonds doté de 10 milliards de dollars

    La Banque africaine de développement a annoncé, mercredi 08 avril 2020, la création d’un fonds doté de 10 milliards de dollars pour aider les pays membres régionaux à lutter contre la propagation du Covid-19 sur le continent. Cette nouvelle initiative de la Banque lui servira de relais principal pour diriger ses opérations Adesina, en saluant le soutien indéfectible des administrateurs de la Banque. Le fonds est doté de 5,5 milliards de dollars pour les opérations souveraines dans les pays membres de la Banque, et de 3,1 milliards de dollars pour les opérations souveraines et régionales via les pays du Fonds africain de développement, le guichet de prêt à taux concessionnels du Groupe de la Banque chargé de répondre aux besoins des pays fragiles. Un montant supplémentaire de 1,35 milliard de dollars sera consacré aux opérations du secteur privé.
    Lire la suite ...
    • samedi, 04 avril 2020 17:03

    COVID 19 : Le Conseil d'administration du FMI approuve le décaissement de 165,99 millions USD pour Madagascar, dans le cadre de la Facilité de Crédit Rapide (FCR)

    Le Fonds Monétaire International (FMI) a approuvé le 03 avril 2020 un financement d’urgence de 165,99 millions de dollars à Madagascar pour aider le pays à répondre à ses besoins urgents face la pandémie du Coronavirus COVID-19 (décaissement attendu dès la semaine du 06 avril 2020). Madagascar figure parmi les premiers bénéficiaires de cette FCR, le FMI affiche ainsi sa confiance vis à vis de Madagascar. Le FMI salue également les efforts entrepris par les autorités malagasy pour atténuer le choc de cette pandémie Covid-19. Le gouvernement a pris immédiatement les mesures appropriées (Mesures fiscales urgentes pour soutenir l’économie et renforcer la protection sociale, Soutien immédiat aux plus vulnérables, notamment par le biais de dons d'aliments de base, Suspension de certaines taxes et cotisations sociales pour soutenir le secteur privé, fourniture de liquidités pour préserver la stabilité du secteur financier…)
    Lire la suite ...
    • samedi, 04 avril 2020 09:31
    • Sary nindramina

    Solika: Nitontongana ny vidiny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, misy aza no omem-potsiny ny solika mavesatra

    Tsy ny vatan'olombelona ihany no tafihan'ny Covid-19 fa dia miatraika tanteraka eo amin'ny toe-karena ihany koa. Anisan'ny voadona mafy amin'izany ireo mpitrandraka solika. Vao nitranga ny valanaretina sy nikatona avokoa ireo orin'asa, ny sisitany ary ny fitaterana rehetra dia tsy nisy mpividy intsony ireo solika. Feno avokoa izao ny tobi-tsolik'ireo mpitrandraka, na ny toerana asiana azy aza tsy misy intsony. Nidina arak'izany ny vidin'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ka 24.23 dolara ny barila (159 litatra) solika amerikanina WTI izay vatsiana ny volana mey, ary 28.99 dolara ny solika Brent, izay vatsiana ny volana Jona. Misy aza ireo tobi-tsolika mivarotra ambanin'ireo vidiny tokony ho izy (Prix de référence), toy ny tany amin'ny Golfe du Mexique 13.31 dolara ny barila, Nebraska Amerika 6.75 dolara, ary ny tany Oklahoma aza ambanin'ny 4.25 dolara ny barila.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 avril 2020 22:47
    • Sary nindramina

    Hôtel Royal Palace Antsirabe: Tsy nahitana tsimokaretina ny mpiasa rehetra natao fitiliana

    Nanao fanambarana ao amin’ny pejiny facebook ny hotely Royal Palace Antsirabe fa « NÉGATIF » avokoa ny fitiliana (TDR) natao tamin’ny mpiasa reheta ao amin’ity hotely ity, tsy misy mitondra tsimokaretina Covid-19. Iray tamin’ireo hotely niantranoan’ilay mpizahatany tonga teto Madagasikara ny 13 marsa ary lasa ny 19 marsa 2020, nefa voamarina fa mitondra tsimokaretina coronavirus ny Royal Palace Antsirabe, araka ny fampahafantarana nataon’ny filoham-pirenena ny harivan’ny 28 marsa 2020. Nandray andraikitra avy hatrany ny hotely, nampihiboka ny mpiasa rehetra tao an-toeram-piasana niandry io fanaovana fitiliana io, na tsy nisy fambara na soritraretina aza tamin’izy ireo. Nodiovina sy nofendrahana ranom-panafody ny toeram-piasana. Natao ny fitiliana, tsy misy mitondra tsimokaretina Covid-19 ny mpiasa rehetra ao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 avril 2020 22:35
    • Sary nindramina

    Coin du foie gras Behenjy: « Négatif au Covid-19 » izahay mpiasa rehetra

    Nanao fanambarana ny orinasa Coin du foie gras Behenjy, iray amin’ireo toerana nandalovana andiana vazaha mpizahatany tamin’ny 14 marsa 2020, ary voamarina fa mitondra tsimokaretina covid-19 ny iray tamin’izy ireo, araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena ny 28 marsa 2020. Nandray ny fepetra mifandraika amin’izay avy hatrany ny orinasa, nanao fanadiovana sy namendraka fanafody ny toeram-piasana. Nangataka ny hanaovana fitiliana haingana dia haingana ny mpiasa rehetra ao aminy ny orinasa. Notanterahina tao amin’ny hopitaly Ambatolampy io TDR (Test de Diagnostic Rapide) io ary dia « Négatif au Covid-19 izahay rehetra » hoy ny fanambarana nataon’ny Coin du foie gras Behenjy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 avril 2020 19:37
    • Sary nindramina

    Covid 19: Tao Nosy-Be ny Praiminisitra Ntsay Christian

    Tonga taty Nosy Be ny Praiminisitra Ntsay Christian androany alarobia 01 aprily. Nampivory ny mpandrahara ara-toekarena izy taty an-toerana amin’ny fampiharana ireo fepetra hifehezana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus, ary koa nifanakalo hevitra ny amin’ireo fepetra ara-toekarena efa noraisin’ny fanjakana mahakasika ny sehatry ny fandraharahana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 14 sur 74