« Musée de l’audiovisuel » : Hatsangana etsy amin’ny ORTM Anosy

  • jeudi, 01 avril 2021 10:04
  • Zakaria

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hananganana “auditorium” lehibe afaka handray olona hatramin’ny 1500.

Hisy ny fanangonana ireo vakoka rehetra nanomboka tamin’ny fijoroan’ny RNM tany amin’ny 90 taona lasa ary ireo tahirin-tsary sy tahirim-peo rehetra hatrizay sy ny fivoaran’ny fitaovana ao anatin’ny haino aman-jerim-panjakana, ary hapetraka ao anatin’io Mozea ho an’ny haino aman-jery etsy Anosy io.

Hisy trano fandraisam-peo na “studio d’enregistrement” manaraka ny toetr’andro ihany koa ao anatin’io toerana vao harenina etsy Anosy io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.