Diosezy Antsirabe : Tontosa ny noely sy taom-baovaon’ny sembana

  • dimanche, 17 janvier 2021 14:54
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Toy ny fanao isan-taona dia nanantateraka Noely sy Taom-baovao ho an’ny olona manana fahasembanana ny Diosezin’Antsirabe sy ny fikambanana “Fitiavana an’i Vakinankaratra”.

Nisy ny lamesa notarihin’ny Evekan’Antsirabe, Mgr Philippe Ranaivomanana. Narahina fizarana fanomezana ho an’ireo olona manana fahasembanana izany, ary nofaranana amin’ny fiaraha-misakafo.

Teny Antsahasoa moa no nanaovana ny hetsika ka olona manana fahasembanana nanodidina ny 2 000 no nisitraka izany. Akoho 500 kilao sy vary 14 gono no nifampizarana.

Tsy nanavahana finoana moa ity hetsika ity, na ny Katolika aza no tompomarika amin’izany. Saika fanomezana avy amin’ny tsara sitrapo moa no nifampizarana tamin’ireto olona manana fahasembanana ireto raha ny fanazavana nentin’ny mompera Ramaroson Gérard, mpiahy ny fikambanana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.