Ady amin’ny piraty: Kapila mangirana miisa 37 000 nodorana
- samedi, 10 octobre 2020 21:27
- Zakaria
- Sary: MSK
Kapila mangirana piraty miisa 37 000 noraofin’ny Borigady misahana ny ady atao amin’ny hosoka sy ny piraty na ny BAP eo anivon'ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ka nodorana androany teny Ambohitrimanjaka.
Ho fampiharana ny didim-panjakana laharana 94 036 ao amin’ny andininy faha 149 no nirosoana tao anatin’izay fandorana ireto kapila mangirana hosoka ireto.
« Tsy hijanona amin'ny fanenjehana ireo mpivarotra kapila mangirana hosoka fotsiny ihany ny asa hatao fa eo ihany koa ny fanaovana hazalambo ireo mpamokatra azy ireny », hoy ny mpandrindra ity rafitra eo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ity.
Tafiditra ao anatin'izany ihany koa ireo mampiditra hira sy « film » eny an-dalambe tsy nahazo alalana.
Marihina fa efa misy ireo olona voasambotra sy nampidirina am-ponja makahasika ity fanaovana hosoka ity.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://sobikamada.com/index.php/art-et-culture/item/24668-ady-amin%E2%80%99ny-piraty-kapila-mangirana-miisa-37-000-nodorana.html#sigProGalleriad454e826c7
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.