RNM - TVM: Nodimandry tany Frantsa i Rasoabakobako

  • samedi, 03 octobre 2020 14:46
  • Zakaria
  • Sary MSK

Rasoanarimalala Jeanne no tena anarany, Rasoabakobako kosa no nahafantaran’ny maro azy teo amin’ny sehatry ny haino amanjery.

Izy no mpanolotra voalohany tao amin'ny Televiziona Malagasy tany amin'ny taona 1967.

Nandritra ny 25 taona dia nanafana fandaharana fanabeazana sy kolontsaina tao amin'ny Radio Nasionaly Malagasy izy. Isan'ireny ny fandaharana "Haody Rasoabakobako".

98 taona i Rasoabakobako no izao nodimandry tany Frantsa izao.
Manana ny mari-boninahitra "Commandeur de l'Ordre Nationale" izy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.