Ananambo: Sakafo tena be otrikaina ny raviny

  • samedi, 03 octobre 2020 14:30
  • Balita
  • Sary nindramina

Avo dia avo tokoa ny tahan’ny otrikaina hita amin’ny ravin’ananambo na anamirôngo (moringa).

Avo 25 heny noho ny an’ny epinara ny tahan’ny vy entiny.
Avo 4 heny noho ny an’ny atody ny tahan’ny proteina ao aminy.
Avo 7 heny noho ny an’ny voasary laoranjy ny vitamina C ao aminy.
Avo 10 heny noho ny an’ny karaoty ny tahan’ny vitamina A ananany.
Avo 15 heny noho ny an’ny akondro ny tahan’ny potasiôma ao amin’ny ravin’ananambo.
Avo 17 heny noho ny an’ny ronono ny tahan’ny kalsiôma ao aminy.

Ankoatra ireo voatanisa ireo dia maro samihafa ihany koa ny otrikaina entin’ny voany sy ny tahony ary ny fakany amin’ny fahasalamantsika sy ny tontolo iainana.

Ampiasaina amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ny ananambo.
Any amorontsiraka atsinanana no tena ahitana betsaka ity karazan-javamaniry iray mahasoa ity.
Maniry ety afovoan-tany ihany koa anefa izy.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.