Dokotera any ambanivolo : Miasa jamba rafozana

  • mardi, 04 mai 2021 07:53
  • Zakaria
  • Sary nomena

Mitaraina ireo dokotera miasa amin’ny CSB2 any ambanivolo, fa telo volana tsy nandray valin-kasasarana nefa mafy dia mafy ny asa, ary efa nanaovana fihanianana ka tsy maintsy atao, hoy izy ireo, mba hanavotana ny mpiarabelona.

Ny ministetan’ny fahasalamana no nandray ireto dokotera ireto sy nanao fifanarahana arak’asa, ary nampanantena fa horaisina ho mpiasam-panjakana izy ireo. Hatreto anefa manjavozavo ny amin’io fandraisana ho mpiasam-panjakana ary manampy trotraka izay ny tsy fahazoana karama efa telo volana izao fa dia miasa jamba rafozana, araka ny fitarainan’izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.