HCC : Mandray ny asany ireo mpikambana vaovao

  • jeudi, 08 avril 2021 13:58
  • Zakaria
  • Sary capture

Tontosa io maraina io tetsy amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana na HCC ny lanonana ara-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fihanianan’ireo mpikambana vaovao sivy mianadahy mialoha ny handraisan’izy ireo ny asany.

Tsy tonga i Noelson William, mpikambana vaovao iray amin’ireo solontena avy amin’ny Antenimieram-pirenena.

Nitarika ny lanonana ny filohan’ny HCC teo aloha, Eric Rakotoarisoa, notronon’ireo mpanolontsaina avo niara-niasa taminy.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny praiminisitra Ntsay Christian, ny filohan’ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana ary ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine.

Sivy ny mpikambana ao amin’ny HCC, fito taona tsy azo havaozina ny fepotoam-piasany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.