CTC-19 Ivato : Miantso vonjy ireo marary

  • mercredi, 07 avril 2021 12:49
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote

SOS.

Velon-taraina ireo marary ao amin'ny CTC-19 Ivato manoloana ny zavatra iainan'izy ireo tamin'ity tapakandro marainan'ny alarobia 7aprily ity.

Tsy nisy mpaka hafanana, tsy nisy maka tosidrà, tsy misy manindrona eny, fa hatramin'ny sérum aza ny an'ny sasany mihitsoka eo.

Nisy fahatapahana ihany koa ny jiro ny atoandro teo, ka fikohafana sesilany no heno avy amin'ny marary any amin'ny efitrano samihafa any.

Misy ihany mpitsabo tazan'ny marary, misy mpitsabo mpanampy nefa mandalo miserana fa samy milaza ho sahirana avokoa.

Etsy ankilany dia mitaraina ny sasany amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana eny amin'ny CTC-19 Ivato fa miasa maina tsy mandray na 0 Ariary, nefa efa mihatra aman'aina ny asa.

Manahy ireo marary manoloana izany sao mba ny tsy fisitrahan'ireo mpiasan'ny fahasalamana ireo ny tambinkarama no hampihombo ny aretina na sanatria hamoizana aina, ka manaitra ny mpitondra fanjakana izy ireo hamaha ny olana.

Misy tamin'ireo marary sasany no nangataka ny hanohy fitsaboana any an-toeran-kafa, ao ireo nangataka hody dia any an-trano no manohy fitsaboana fa tsy te hiaina tebiteby mahita ny zava-mitranga eny an-toerana.

Tsiahivina fa ireo marary "forme modérée" no raisin-tanana ka tsaboina eny amin'ny CTC-19 Ivato.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.