Amiraly Didier Ratsiraka : Tontosa soa aman-tsara ny fandevenana azy teny amin’ny Mausolée

  • lundi, 29 mars 2021 17:55
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tontosa soa aman-tsara ny andron'ny 29 Martsa 2021 ny faraveloma nanomezana voninahitra ny Filoha teo aloha Amiraly Didier Ignace Ratsiraka, nodimandry ny marain’ny alahady 28 martsa 2021.

Teo ny teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, nitohy teny amin'ny fasan'ny mahery fo na Mausolée teny avaratr’Ambohitsaina.

Nanotrona ny fianakavian’ny maty hatramin’ny fotoana nanitrihana ny nofomangatsiakany ny solontenam-panjakana sy ny avy amin’ny foloalindahy notarihin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.

Nisy ihany koa ny fametrahana fehezam-boninkazo nataon’ny filohan’ny Repoblika teny amin’ny Mausolée ho fahatsiarovana ireo mahery fon'ny firenena izay nitolona sy nahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazana mba hahazoana ny fahaleovantenan'i Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.