Gilbert Raharizatovo : Lavo ny andrarezina !

  • jeudi, 25 mars 2021 12:52
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nodimandry androany maraina i Raharizatovo Harisoa Gilbert na Gilbert Raharizatovo. Teo amin’ny tontolon’ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety no tena nanamarika sy nahafantaran’ny maro azy.

Tao amin’ny Televiziona Malagasy izy, ankoatra ny vaovao dia nanana sy namokatra ny fandaharana “IMASO” izy nanasany mpanao politika sy mpitondra teto amin’ny firenena.

Anisany fandaharana nisongadina tamin’izany ny nanasan’i Gilbert Raharizatovo ny filoha Didier Ratsiraka ny taona 1996.

Maro ny andraikitra sy ny sehatra nahitana azy. Minisitry ny serasera izy tamin’ny tetezamita.
Mpanao politika ihany koa i Gilbert Raharizatovo, nanana ny antokony dia ny Rassemblement pour Madagascar (RPM) ; ary efa voafidy ho solombavambahoaka tao amin’ny Boriborintany fahaenina, Ambohimanarina-Antananarivo Renivohitra.

Mpamakafaka politika i Gilbert Raharizatovo, ary olon’ny serasera.

Raha ny loharanom-baovao dia “bronchite chronique”, izay mahavoa ny taovam-pisefoana, indrindra ny havokavoka no voalaza fa nipaoka azy.

73 taona izy lasa izao, ary namela vady sy kamboty vavy tokana.

Lavo ny andrarezina !

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.