Fahasalamana : Niditra hopitaly eny amin'i HOMI ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka mivady

  • mardi, 23 mars 2021 18:37
  • Tigre
  • Tahirin-tsary nindramina

Ny alatsinainy alina 22 martsa 2021 no nampidirina eny amin'ny hopitaly miaramila HOMI Soavinandriana Antananarivo ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka. Nentina eny ihany koa ny vadiny Céline Ratsiraka arahi-maso.

Natao fitiliana Covid-19 izy ireo, hatreto aloha dia mihiba ny valin'ny fitiliana.

Avy hatrany dia noraisin'ireo mpitsabo sy spécialite Malagasy an-tanana izy mivady, izay manao ny mety rehetra hitsaboana sy anarahana maso ny fahasalaman'izy ireo.

Efa mihatsara, ary tsy misy atahorana ny fahasalaman'izy mivady, fa mbola tazonina ao aloha hanarahana maso azy ireo.

Marika izao fa mahay ny mpitsabo Malagasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.