Tanzania : Nodimandry ny filoha John Magufuli

  • jeudi, 18 mars 2021 11:11
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nindaosin’ny fahafatesana, ny 17 martsa 2021, teo amin’ny faha-61 taonany ny filohan’ny Repoblikan’i Tanzania, John Magufuli.

Aretin’ny fo no voalaza fa nitaraka ny fahafatesany. 18 andro no tsy nahitan’ny Vahoaka azy ; Rtoa Samia Suhulu Hassan, filoha lefitra, nanambara ny fahafatesany tamin’ny televiziona vao samy ankona ny maro.

Ny taona 2015 i John Magufuli no tonga teo amin’ny fitondrana. Nahazo solon’anarana "Bulldozer" izy raha namaky ady amin’ny kolikoly.

Voafidy fanindroany hitantana an’i Tanzania indray izy ny 25 oktobra 2020, no izy izao nindaosin’ny fahafafatesana izao.

Ny filoha lefitra Samia Suhulu Hassan no hanapitra ny taom-piasana. Ity no vehivavy voalohany hitondra an’i Tanzania.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.