Etats-Unis : Afaka amin'ny fanenjehana famporisihina hioko i Donald Trump

  • dimanche, 14 février 2021 16:26
  • Tigre
  • Sary nindramina

Araky ny Lalampanorenana amerikanina dia najoro teo anivon'ny Loholona ny fitsarana ny filoha teo aloha Donald Trump, tamin'ny fanenjehana azy namporisika ireo mpomba azy hanani-bohitra tao amin'ny lapan'ny Kongresy, tamin'ny fotoana nanamarinana ny vokam-pifidianana ho Filoham-pirenena amerikanina ny 06 janoary 2021.

Omaly sabotsy 13 febroary, dia niroso tamin'ny fifidianana, izay hitakiana ny 2/3 n'ny mpifidy Loholona ny ahafahana manameloka ny Filoha teo aloha Donald Trump, 57 ireo loholona nilaza fa meloka i Donald Trump, ary 7 tamin'ireo no Repoblikanina mitovy antoko aminy, tsy tratra ny fetr'isa 67 takiana.

Mitch McConnell, mpitarika ny Repoblikanina eo anivon'ny Loholona moa dia nilaza fa tsy hanameloka an'i Donald Trump satria mifanohitra amin'ny Lalampanorenana ny hitsaran'ny Loholona izay efa tsy Filoha intsony ankehitriny, nefa kosa nanitrikitrika fa tompon'andraikitra tamin'iny fananiham-bohitry ny Lapa iny i Donald Trump, izay namoizana ain'olona sy fahasimban-javatra.

Tsy mbola hafa-bela anefa i Donald Trump fa betsaka ireo mikasa mbola hitory azy amin'ny raharaha anatiny Amerikanina. Maro koa ny fikasana ny hanakana azy tsy ahafahany hilatsaka ho filoha intsony ny taona 2024.

Nanambara moa ity Filoha amerikanina teo aloha ity, fa tsy mahasakana ny hetsika ametrahana an'i Amerika ho sangany izao, fa vao fanombohana ihany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.