Volamena 73.57kg : ABDUL Rahman Umer Saleh no anisan'ny ati-doha

  • mercredi, 10 février 2021 18:28
  • Tigre

Fantatra tamin'ny alalan'ny findain'ireo voarohirohy tamin'ity raharaha volamena 73.5kg ity, na dia noezahina nofafana aza ny sary sy ny fifandraisana, fa i ABDUL Rahman Umer Saleh, no anisan'ny ati-doha niketrika ity fanondranana antsokosoko ny volamena 73.5kg ity.

Izy dia mipetraka any Dubai, ary ratsamangaika manao ny asa i MAHAMODO, ZAVAH ary RAGASY Francis Deliot, izay samy tratra, ary eo ambany fitsaran'ny Tribonaly Afrika atsimo avy.
Maromaro ireo karohina ankehitriny, izay mpitondra ny entana, misy aza vehivavy mipetraka any Frantsa.

Telo no efa nidoboka am-ponja ankoatr'ireo efa nahiditra eny Antanimora sy Tsiafahy teo aloha :
- IASIMANANA Yau Cyrille
- HERITSAINA ANNY Joachin
- KANUTILAL Sanath

Hatreto tsy mbola nisy ireo mpiasan'ny fadintseranana, ny mpiasan'ny Police de l'Air et des Frontières PAF, na ireo nisahana ny seranam-piaramanidina na Ivato na Toliara, ireo mpikirakira ny caméra, ireo mpanosika chariot, ireo sureté aérienne, ny tompon'ny fiaramanidina moa dia tsy nasiana resaka intsony.

Tsy mbola fantatra ihany koa ny tena tompon'ny volamena, na ireo olona nanamora ny fivoahany teto Madagasikara.

Fantatra tamin'ny alalan'ny fanadihadiana ihany koa moa fa nisy vola 200 000euro tany amin'izy telo lahy nitondra ny volamena ireto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.