Kitra - Afrika : Afaka milatsaka ho filohan'ny CAF i AHMAD

  • samedi, 06 février 2021 18:01
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny Kaonfederasiona Afrikanina ny baolina kitra, na ny CAF, fa mahazo milatsaka ho kandida amin'ny fifaninanana izay ho filohan'ny CAF i Ahmad AHMAD, izay filoha amperinasa teo aloha fa nosazian'ny Komitin’ny Etika eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra na ny FIFA, ny 19 novambra 2020, tsy ahazo hiandraikitra ny raharaha baolina kitra mandritra ny 05 taona, miampy onitra 832 tapitrisa Ariary (185 000 Euros), noho ny resaka fanodinkodinam-bola miharo fanararaotam-pahefana no anisany niampangana azy.

Rava anefa izay fanasaziana sy fanenjehana izay, rehefa nanao fampakarana i Ahmad AHMAD, ka nangataka tamin'ny CAF ny hiverenana hijerana ny fahafahany milatsaka ho kandida, handimby toerana azy ihany.


Teratany Malagasy i Ahmad. Efa minisitra, efa Senatera ary filohan'ny Federasion malagasy ny baolina kitra.

Nanomboka ny 17 marsa 2017 no nahavoafidy azy ho filohan’ny CAF, sady filoha lefitry ny FIFA.

Anisany fanovana nentiny tao anatin’izay efa-taona nitondrany ny CAF izay ny fampitomboana ho 24 ireo ekipam-pirenena miady ny tompondakan’i Afrika, raha 16 teo aloha, sy ny fampidirana ny VAR (Video Assistant Referee), na ny fitsarana amin'ny alalan'ny video, amin’ny fitsarana lalao mandritra ny CAN, izay natomboka tany Ejipta tamin’ny CAN 2019.

Teo koa ny fampitomboana ny vola fanampiana ny federasiona amin’ireo firenena afrikana, hampiroboroboana ny kitra.

Dia izao izy nirotsaka ho fidiana fanindroany ho Filohan’ny CAF hatao ny martsa 2021 izao indray i Ahmad, ary Federasionina 46 amin’ny 54 eto Afrika no efa nanao fanambarana fanohanana azy talohan'ny nisian'ilay fanasaziana izay rava izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.