Etats-Unis : Vita fianianana i Joe Biden

  • jeudi, 21 janvier 2021 09:15
  • Tigre
  • Sary nindramina

Ny alarobia 20 janoary nanomboka tamin'ny mitatao vovonana, ora tany an-toerana, no nandray ny fahefana amin'ny maha filoham-pirenena amerikanina Joseph Robinette Biden Jr., fantatra amin'ny anarana hoe Joe Biden.

Nanao ny fianianana hanaja ny Lalampanorenana amerikanina izy, ny vadiny Jill Biden, teraka Jill Tracy Jacobs, no nitazona ny Baibolim-pianakaviana nanaovany izany fianianana izany.

Nanao ny fianianany ihany koa talohan'io ny filoha lefitra amerikanina Kamala Harris, vehivavy voalohany sady mainty nitazona izany toerana izany. Ny Filoha lefitra moa dia miaraka fidiana anaty lisitra miaraka amin'ny Filoha amerikanina, izy avy hatrany no mandray ny toeran'ny filoha raha misy ny fahabangan-toerana mandrampaha-tapitry ny fotoam-piasana 4 taona.

Namerimberina ny firaisankinan'ny rehetra ny Filoha amerikanina Joe Biden ary nanamafy fa ho filohan'ny Amerikanina rehetra.

Niaraka nametraka fehezam-bonikazo teny amin'ny fasan'ireo miaramila tsy fantatra anarana tao Arlington moa i Joe Biden niaraka tamin'ireo filoha amerikanina rehetra mbola velona, afa tsy Donald Trump izay tsy nanatrika ny fianianana fa avy hatrany dia nody any Floride.

Taorian'izay dia nizotra avy hatrany tao amin'ny Trano fotsy, Maison Blanche, izy sy ny fianakaviany, ary avy dia niasa nandray ireo didim-panjakana maika sy nampanantenainy fa atao.

I Joe Biden izany no filoha faha 46 amerikanina, ary aharitra 4 taona ny fotoam-piasany.

(Sary nindramina)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.