Antenimierandoholona : Hivory voalohany ireo Senatera vaovao

  • mardi, 19 janvier 2021 08:09
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary fampiaingoana

Ny talata faharoa aorian’ny nanambarana ofisialy ny voka-pifidianana loholona nataon’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, no mivory voalohany ireo senatera vaovao handrafitra ny Antenimierandoholona.

Mifanandrify indrindra amin’ity andron’ny 19 janoary 2021 ity izany.

Miisa 18 ireo senatera vaovao, ka ny 12 nofidin’ireo mpifidy vaventy tamin’ny 11 desambra 2020, ary ny 6 kosa notendren’ny filohan’ny Repoblika ny 18 janoary 2021.

Ny zokiolona sy zandriolona indrindra no hitarika ny fivoriana, hifidianana ny filoha sy izay handrafitra ny birao maharitra ary koa ny fitsipika anatiny.

Vehivavy ny roa (11%) amin’ireo senatera vaovao, dia Raharinirina Sidonie, voafidy tao amin’ny faritanin’I Toamasina tamin’ny lisitra Malagasy Miara-Miainga na MMM, sy Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, mpitsara, iray tamin’ireo notendren’ny filohan’ny Repoblika. Lehilahy ny 16 ambiny (89%).

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.