EVASAN : Nalefa maika tsaboina atsy La Réunion ramatoa vadin’ny tompon’ny kaompania STA

  • samedi, 16 janvier 2021 19:47
  • Zakaria

Nanaitra ny manodidina sy ny mpandalo ny nahita fiara mpitondra marary na « ambulance » niisa telo be izao nijanona vao maraina nanoloana ny trano iray teny Marivolanitra, avaratr’Andohalo, Boriborintany Voalohany ny zoma 15 janoary 2021.

Ora vitsy taorian’io, dia fantatra fa vehivavy iray tao amin’io trano io no tratry ny tsy fahasalamana ka nalefa maika hotsaboina (EVASAN : Evacuation sanitaire) atsy amin’ny nosy La Réunion.

Ny sidina 5R-AMR an’ny kaompania TOA no nitondra azy. Niainga teo Ivato io zoma io tamin’ny 9ora sy 12min niazo an’i Pierrefonds tanàna iray ao andrefan’ny Kaominina Saint-Pierre.

Dimy ireo olona tao anatin’ity fiaramanidina ity, teo ampiaingana.

Vady andefimandrin’ny tompon’ny kaompania STA, nanana ilay fiaramanidina nitondra volamena 73,5kg tratra tatsy Johannesburg Afrika Atsimo tamin’ny 31 desambra 2020, ity ramatoa natao EVASAN ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.