A la Une
-
- jeudi, 04 juin 2020 19:17
- Tigre
- Sary nomena
Toamasina: Nomena lanja hatrany ny fifampiresahana sy fanentanana, arahina fepetra fampiharana
Taorian'ny savorovoro omaly alarobia 03 Jona, dia nisy androany Alakamisy ny fifanatonana narahina fanambarana:Lire la suite ... -
- samedi, 30 mai 2020 23:40
- Zakaria
- Sary: Fiarovam-pirenena
Covid19: Andiana miaramila 250 lahy nalefa hanao tantsoroka any Toamasina
"Bataillon multimission" no iantsoana azy ity, ahitana miaramila 250 lahy ary tarihin'ny Lietna kolonely Berarazana Patricio. Matihanina amin'ny fiatrehana ny ady amin'ny ambana Coronavirus izy ireto, misy dokotera sy mpitsabo miaramila ary miaramila avy amin'ny andian-tafika samihafa.Lire la suite ... -
- vendredi, 29 mai 2020 09:48
- Tigre
- Sary nindramina
Covid-19: Tsy nisy vesatra nanenjehina an'i Pr Ralandison Stéphan
Niteraka samboaravoara teto Toamasina ny raharaha Pr Ralandison Stéphan, Sojaben’ny Fakioltean’ny sampana fitsaboana Toamasina, izay nanadihadiana azy mikasika ny fahafatesan'ilay mpitsabo tao amin'ny Hopitaly Manarapenitra.Lire la suite ... -
- jeudi, 28 mai 2020 13:45
- Zakaria
- Sary nindramina
Covid-19: Nosamborina Pr Ralandison Stéphan, Sojaben’ny Fakioltean’ny sampana fitsaboana Toamasina
Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana, ny marainan’ity alakamisy 28 may 2020 ity i Pr Ralandison Stéphan, Sojaben’ny Fakioltean’ny sampana fitsaboana (Doyen de la Faculté de Médecine) Toamasina, izay efa Talen’ny hopitaly manarapenitra na CHU Morafeno-Toamasina teo aloha.Lire la suite ... -
- lundi, 25 mai 2020 13:39
- Zakaria
- Sary nindramina
James Andrianalisoa: Nodimandry tany Frantsa ny alakamisy lasa teo
Efa Tale jeneralin’ny Air Madagascar i James Andrianalisoa. Tale jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ary Mpanolontsain’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izy tamin’ny fitondran’ity farany.Lire la suite ... -
- dimanche, 24 mai 2020 16:59
- Zakaria
- Sary nindramina
Toamasina: Dokotera hifa faty nihantona tao amin’ny hopitaly manarapenitra
Mpitsabo tonga hanao fizaham-pahasalamana tao amin’ny efitra nisy azy ny marainan’ity Alahady 24 may 2020 ity no nahita fa nisaringotra tamin’ny tadina seraoma ny tendan’ilay dokotera. Nifarimbona an’ity farany ireo mpiasan’ny fahasalamana nanao vonjy aina saingy indrisy fa tsy avotra intsony.Lire la suite ... -
- mercredi, 20 mai 2020 21:51
- Zakaria
- Sary nindramina
Fianarantsoa: Lehilahy antitra iray nindaosin’ny fahafatesana tao amin’ny CHU Andrainjato
Lehilahy iray no maty tao amin’ny hopitaly manarapenitra CHU Andrainjato androany alarobia 20 may 2020. Raha ny loharanom-baovao dia isan’ireo olona miisa 148 teny Iboaka miandry valim-pitiliana PCR izy.Lire la suite ... -
- lundi, 18 mai 2020 20:34
- Zakaria
- Sary nindramina
Nosy Malagasy: Nantsoina teny amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara
Nampiantso an’i Christophe Bouchard, Masoivohon’i Frantsa, ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny androany Alatsinainy 18 May 2020, mba ilazana aminy ny fahatairan’ny Fanjakana Malagasy noho ny vinavinan’ny Fanjakana frantsay hanangana ny antsoiny hoe : « Réserve Naturelle Nationale» eo amin’ny Nosy Glorieuses, sy ny fanoheran’ny Fanjakana malagasy izany amin’ny fomba hentitra indrindra, hoy ny minisitra Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Liva.Lire la suite ... -
- dimanche, 17 mai 2020 18:23
- Tigre
- Sary nindramina
Covid-19: Nodimandry tao amin’ny CHU Morafeno-Toamasina i Maitre Roger
Nambaran’ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, mpitondrateny ofisialy ny Foibem-pibaikoana ny Covid-19, androany atoandro tamin’ny haino aman-jerimpanjakana fa nisy lehilahy iray 59 taona, teraka ny taona 1961 tao Vavatenina, nodimandry tao Toamasina. Ity no tranga fahafatesana voalohany taorian’ny 19 marsa 2020 nahitana voalohany tranganaretina Covid-19 miisa telo teto Madagasikara.Lire la suite ... -
- mercredi, 13 mai 2020 11:36
- Zakaria
- Sary nindramina
HJRA Ampefiloha: Natokam-ponenana ny mpitsabo, mpiasa ary ny marary rehetra ao amin’ny sampana mitsabo ny homamiadana
Mikatona nanomboka ny 11 may 2020, sady tsy mandray marary no tsy manao asam-pitsaboana ny service Oncologie, itsaboana ireo olona voan’ny homamiadana ao amin’ny HJRA Ampefiloha. Tsy mbola voafaritra ny fotoana hisokafany indray. Misy ny Naoty manamafy izany.Lire la suite ...
Page 9 sur 111