A la Une
-
- samedi, 11 juillet 2020 21:21
- Zakaria
- Tahirin-tsary nindramina
FITEFA: Nodimandry ny filoham-boninahitra, Donty Jean-Baptiste
Nindaosin’ny fahafatesana androany sabotsy 11 jolay tao Ambanja i Donty Jean-Baptiste. Nanao fanambaràna manamafy io vaovao io ny filohan’ny FITEFA (Fikambanan'ny teraky ny faritany Antsiranana), Bekasy Johnfrince.Lire la suite ... -
- samedi, 11 juillet 2020 12:16
- Zakaria
- Sary nindramina
Rafitry ny Firenena Mikambana: Lavon’ny Covid-19 ny lefitry solontenan’ny Unicef eto Madagasikara
Nodimandry ny zoma 10 jolay 2020 teo amin’ny faha-51 taonany i Benoît Vonthron, lefitry solontenan’ny Unicef eto Madagasikara.Lire la suite ... -
- mercredi, 08 juillet 2020 10:35
- Zakaria
- Sary nindramina
Antenimieram-pirenena: Nodimandry i Rakotomalala Lucien, depiote voafidy tao Morombe
Namoy ny ainy ny talata 7 jolay 2020 i Rakotomalala Lucien, solombavambahoaka IRD voafidy tao amin’ny Distrika Morombe, Faritra Atsimo Andrefana. Nanana areti-mitaiza sohika ity parlemantera ity. Tao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana no nitsaboana azy. Talohan’ny nifaranan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena izy no efa tsy salama, ary tsy tonga niatrika fivoriana intsony.Lire la suite ... -
- mardi, 07 juillet 2020 23:35
- Zakaria
- Sary nindramina
Brezila: Voan’ny Covid-19 ny filoha Jair Bolsonaro
Nandritra ny resaka nataony tamin’ny fahitalavitra, androany talata 7 jolay, no nilazan’ny filoha breziliana Jair Bolsonaro fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19 izy taorian’ny fitiliana natao azy rehefa nisy fambaran’aretina niseho taminy ; nafana hoditra.Lire la suite ... -
- vendredi, 03 juillet 2020 21:46
- Zakaria
- Sary nindramina
Ny Rado Rafalimanana: Nivoaka ny fonja nitazomana azy
Nahazo fahafahana vonjimaika ary nivoaka androany ny fonjan’Antanimora nitazomana azy telo volana nanomboka ny 2 aprily 2020 i Ny Rado Rafalimanana, filohan’ny ONG Ny Fanahy no maha olona.Lire la suite ... -
- jeudi, 02 juillet 2020 15:11
- Zakaria
- Sary nindramina
Jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain: Nodimandry teny an-tranony androany atoandro
Nindaosin’ny fahafatesana ny alakamisy 2 jolay 2020 atoandro teny amin’ny trano fonenany eny Vontovorona Antananarivo Atsimondrano, ny jeneraly zandary misotro ronono Rabotoarison Charles Sylvain. Izy dia efa minisitra in-droa, nisahana ny Ati-tany, efa tao amin’ny Tontolo iainana ihany koa, efa Komandin'ny Zandarimariam-pirenena, ary Senatera izy tamin'ny 2007.Lire la suite ... -
- mercredi, 01 juillet 2020 21:45
- Zakaria
- Sary nindramina
Dr Emmanuel Rakotovahiny: Nodimandry androany teo amin’ny faha 81 taonany
Nindaosin’ny fahafatesana ny hariva teo i Dr Emmanuel Rakotovahiny rehefa nolazoin’ny aretina fotoana lavalava ary notsaboina teny amin’ny klinika tsy miankina iray teny Ilafy teny.Lire la suite ... -
- mercredi, 01 juillet 2020 08:58
- Tigre
- Sary Gasypatriote
Covid-19: Tratra ihany koa ny Réa HJRA
Mitombo hatrany ireo service voakasiky ny Covid-19 ao amin'ny hopitaly CHU Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Raha voatery nakatona mihitsy ny Toeram-pandidiana, dia tratra ihany koa ny Laboratoires, ary amin'izao dia misy mpiasan'ny toerana Vonjy aina famelomana, service Réanimation no tratra.Lire la suite ... -
- mardi, 30 juin 2020 10:12
- Zakaria
- Sary nomena
Benaivo Narcisse: Voafidy ho solonten’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI
Tontosa androany talata 30 jona 2020 teny amin’ny CCI Ivato ny fifidianana nataon’ireo Solombavambahoaka izay ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI.Lire la suite ... -
- lundi, 29 juin 2020 16:52
- Tigre
- Sary nindramina
Covid-19: Miitatra hatrany amin'ny Laboratoires HJRA
Tamin'ny herinandro lasa teo dia nakatona mihitsy ny Bloc Operatoire n'ny Hopitaly HJRA noho ny valanaretina Covid-19 nahazo ireo mpiasa tsy ampy fitaovana fiarovana.Lire la suite ...
Page 7 sur 111