A la Une
-
- jeudi, 06 août 2020 14:38
- Zakaria
- Sary nindramina
Faritra Bongolava: Voatendry ho Governora ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph
Voatendry ho Governoran’ny Faritra Bongolava nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly 05 aogositra 2020, ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph.Lire la suite ... -
- lundi, 03 août 2020 09:30
- Tigre
- Sary nindramina
SpaceX: Tafaverina ety an-tany ireo mpanamory sambon-danitra roa lahy
Vato alatsaka avy eny amin'ny Station Spatiale Internationale, miala 408Km ambonin'ny tany i Doug Hurley sy Bob Behnken, rehefa avy nijanona 2 volana tao amin'ny zana-bolana azo hipetrahana iraisam-pirenena ISS.Lire la suite ... -
- dimanche, 02 août 2020 13:27
- Zakaria
- Sary nindramina
Marovoay: Olona maro nidina an-dalambe androany
Andian’olona maro no nidina an-dalambe, nirohotra teny amin’ny biraom-panjakana sady nihorakoraka fa noana ka avelao hivarotra, hiasa hitady izay hohanina. Betsaka no tsy nanao aro-vava, ary tsy voahaja ny elanelana nandritra izany.Lire la suite ... -
- mercredi, 29 juillet 2020 10:03
- Zakaria
- Tahirin-tsary nindramina
Orinasa STAR: Nalefa « chômage technique » hatramin’ny 31 aogositra ny mpiasa
Mitsahatra tsy mihodina ireo orinasa miisa dimy ao amin’ny vondrona STAR, dia Antsirabe, Ambatolampy, Andraharo, Andranovelona ary Antsiranana. Nalefa « chômage technique » ny mpiasa nanomboka ny 28 jolay ka hatramin’ny 31 aogositra 2020, ankoatra ireo mpiandry raharaha.Lire la suite ... -
- vendredi, 24 juillet 2020 21:25
- Zakaria
- Sary nindramina
Malagasy tavela any Inde: Nisy namoy ny ainy niandry ny fahafahany mody aty Madagasikara
Miisa 100 eo ireo Malagasy mihitsoka any Inde, tsy tafody talohan’ny fikatonan’ny sisintany teto Madagasikara ny 19 martsa 2020 misasak’alina. Nitsabo tena ny ankamaroan’ireo miaraka amin’ny olona nanampy nanaraka azy tany, misy mpianatra vita fianarana, ao ireo niofana nanatevim-pahalalana sy traikefa tany Inde, tao New Dehli sy Bombai indrindra indrindra.Lire la suite ... -
- jeudi, 23 juillet 2020 22:48
- Zakaria
- Sary nindramina
Razafintsalama Tojohasina: Maty amperin’asa tany Mali, teo amin’ny faha-26 taonany
Lavo ny marainan’ity alakamisy 23 jolay 2020 ity, nandritra ny fifandonana tamin’ireo vondrona mpampihorohoro mitam-piadiana any Mali, i Razafintsalama Tojohasina. Miaramila kilasy voalohany no galonan’ity farany, ao amin’ny 1er RHP (Régiment de Hussards Parachutistes) any Tarbes Frantsa izy.Lire la suite ... -
- mardi, 21 juillet 2020 10:18
- Tigre
- Tahirin-tsary fampiaingoana
Covid-19: Misintona lakolosy be ny Fiarovam-pirenena
Nisy ny tatitra sy ny fanadihadiana, nataon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, izay nijanona ho tsiambaratelo amin'ny antanatoham-panjakana ny 18 jolay 2020, izay nandroso vahaolana ihany koa manoloana ity ady amin'ny Covid-19 ity.Lire la suite ... -
- jeudi, 16 juillet 2020 09:50
- Zakaria
- Sary nindramina
Gal Mamizara Jules: Nodimandry androany maraina
Nindaosin’ny fahafatesana tampoka ny marain’ity 16 jolay 2020 tao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana nitsaboana azy ny jeneraly Zandary misotro ronono Mamizara Jules.Lire la suite ... -
- mercredi, 15 juillet 2020 21:59
- Zakaria
- Sary nindramina
Antaninarenina: Mirehitra ny foiben’ny Office National pour l’Environnement
Lelafo manaka-danitra sy setroka be niainga avy eo Antaninarenina – Antananarivo no nanaitra ny mponin’Antananarivo tamin’ny valo ora sy sasan alina io. Mirehitra ny foiben’ny Office National pour l’Environnement na ONE, izay rafitra mamoaka ny « permis environnemental », iray amin’ireo taratasy ilaina mialoha ny hisokafan’ny orinasa na koa fitrandrahana harena ankibon’ny tany…Lire la suite ... -
- samedi, 11 juillet 2020 21:58
- Tigre
FLM: Nodimandry ny Pastora Dr Rakotonirina David
Nodimandry tokony tamin'ny 9ora alina teo ny sabotsy 11 jolay 2020 ny filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy na FLM, sady Filoha amperinasan'ny FFKM, teny amin'ny Polyclinique Ilafy.Lire la suite ...
Page 6 sur 111