Economie

    • mercredi, 13 novembre 2019 21:52

    Jirama: Nomena alalana hividy solika, tsy mandalo ny tsenam-barotra, ho an’ireo toeram-pamokarana herinaratra

    Nomen’ny Filankevitry ny Minisitra alalana manokana ny Jirama ho afaka mividy solika, tsy mandalo ny tsenam-barotra, mandritra ny telo volana hatramin’ny faran’ny volana Janoary 2020, mandrapitsangan’ilay orinasa State Procurement of Madagascar, S.A hanafatra solika mivantana. Ireo solika ireo dia tsy tokony hihoatra ny 63 603m3 ho an’ny Fuel, ary 21 487 m3 ho an’ny Gasoil, mandritra ireo fe-potoana voalaza ireo.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 10 novembre 2019 12:39
    • Sary nomena

    Orinasa mpamokatra siramamy: Mampanantena ny hanokatra indray ny SUCOMA Morondava i Andry Rajoelina

    « Tsy maintsy hosokafantsika ny SUCOMA », hoy ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina raha tonga nitsidika ity orinasa mpamokatra siramamy ao Analaiva – Morondava ity, omaly. Mila handefa « expert » izy hanadihady sy hitondra ny vahaolana teknika rehetra amin’izany. Mbola nanambara izy fa « azo atao tsara koa ny manokatra orinasa iray hafa, afaka hamokatra siramamy eto Morondava mba hanomezana asa sy hanodinana ny toekarena ary hanatsarana ny sosialy eto amin'ny tanàna manodidina ny SUCOMA eto Morondava ». Nikatona tamin'ny taona 2014 ny SUCOMA (SUcrerie de COmplant de MAdagascar) na SIRANALA teo aloha, noho ny olana ara-pitantanana. May ny ampahan’ny orinasa, voaroba ny fitaovana noho ny disadisa teo amin’ny mpiasa sy ireo Sinoa mpitantana ny orinasa. Minisitra samihafa no nifandimby nidina nandamina, sy nampanantena ny hisokafan’io orinasa io indray fa tsy mbola tafarina hatreto. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 novembre 2019 22:36

    Vanille: Une 2ème liste des exportateurs

    Le conseil du gouvernement qui s’est tenu au Palais d’Etat de Mahazoarivo ce mercredi 06 novembre 2019 a donné un accord pour la sortie de la 2ème liste des exportateurs de vanille agréés pour la campagne 2019-2020.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 novembre 2019 12:02
    • Sary Njaka

    Ibis Ankorondrano: Atrik'asa momba ny harena an-kibon'ny tany

    Nanataneraka atrik’asa teny amin’ny Ibis Ankorondrano ireo mpiantsehatra eo anivon’ny harena an-kibon’ny tany. Nisy araka izany ny fizarana sy fifanakalozan-kevitra izay handinihina ny hoe inona sy inona avy ny mety ho anteraky ny kolikoly eo amin’ny fanomezana alalana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, mba hampafantarana ny tsirairay ireo vokatry ny fanadiadiana izay nataon’ny transparency internationale ao anatin’ilay programa Mining for Sustainable Development.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 novembre 2019 22:24

    Drafi-pivoaran’i Madagasikara (PEM): Neken’ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena

    Vonona ny hifanampy amintsika ny Banky Iraisam-pirenena ary hiroso tsy ho ela ny fifampidinihana eo amin’ireo famatsiam-bola isan-tokony iarahana amin’ity vondrona mpamatsy vola ity. Mahatratra 80 lavitrisa dolara ny vola ampiasain’ny Banky Iraisam-pirenena ka hisy ny anjara goavana ho an’i Madagasikara amin’izany, satria neken’izy ireo ny drafi-pivoaran’i Madagasikara izay nozarain’ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola tany Washington farany teo nandritra ny fivoriambe natao tany.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 novembre 2019 22:13
    • Sary nindramina

    Banky Foiben’i Madagasikara: Nosoloina an-dRabarijohn Henri ny Governora

    Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny banky BNI i Rabarijohn Henri talohan’izao fanendrena azy ho Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara izao. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra androany alarobia 6 novambra 2019 ny didim-panjakana fanendrena azy. Rabarijohn Henri no mandimby toerana an-dRasolofondraibe Alain Hervé, teo amin’io toeran’ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara io nanomboka tamin’ny 2015. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 novembre 2019 19:10

    KRAOMA: Miandry ny fanateram-bonikazo sisa?

    Ny mpiasa tsy voaloa karama amam-bolana, ny « internet » tapaka efa ho iray volana. Ritra ny vola ? Mandalo fahasahiranana mafy ity orinasam-panjakana KRAOMA (Kraomita Malagasy) ity, toa miandry ny fanateram-bonikazo sisa ? Mamelona fianakaviana maro, sy ireo Kaominina manodidina an’i Brieville misy ny toeram-pindrahana anefa ny KRAOMA. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 novembre 2019 19:25
    • Sary Njaka

    Carlton: Atrik'asa fanatsarana ny tolotra momba ny famokarana akanjo

    Notanterahina tetsy amin’ny Carlton Anosy ny atrik’asa izay hiarahan’ny firenena Britanika sy Malagasy, karakarain’ny UKTP mahakasika fanatsarana ny harifenitra an’ireo vokatra famokarana lamba sy akanjo na textile eto Madagasikara. Hisy ny fitadiavana vahaolana amin’ity atrik’asa ity izay fifampiraharahana amin’ny fanjakana satria mety hisy ny tsy fahafahan’ny orin’asa miodina. Vonona ny UKTP hanampy ny fanjakana ahafahana manodina ireo akora fototra. Ny UKTP ihany koa dia manampy ireo orin’asa ahafahana manodrana any Royaume unie, ary manome fanampiana amin’ny fanamafisana ny traik’efa eo amin’ny ministera sy ireo sampam-panjakana samihafa.  (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 octobre 2019 21:40
    • Sary nindramina

    Solika: Tonga eto Toamasina ny sambo MT/ MR AQUARIUS mitondra gazoala 36,6 tapitrisa litatra

    Ny tolakandron’ity talata 29 oktobra 2019 ity no niantsona eto amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny sambo mpitatitra solika MT/ MR AQUARIUS, izay mitondra gazoala 36,6 tapitrisa litatra. Hisy sambo hafa ho avy amin’ny 15 novambra 2019. Ny alahady 27 oktobra dia lasantsy 600 000 litatra sy gasoil 2 300 000 litatra no niala teto Toamasina namatsiana ireo toby fitehirizan-tsolika any Antananarivo sy ny faritra.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 octobre 2019 07:02
    • Sary nindramina

    Fikorontanan’ny fitsinjarana solika: Nosazian’ny Fanjakana ny orinasa LPSA, Total ary Vivo

    Sazy ara-bola mitentina 120 tapitrisa Ariary ho an’ny orinasa Logistique Pétrolière SA (LPSA), ary 60 tapitrisa Ariary isanisany ny an’ny orinasa Total ary Vivo (Shell). Nivoitra ireo ny alatsinainy 28 oktobra nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataon’ny minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo Andriamanga Vonjy, sy ny avy amin’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) teny Ampandrianomby-Antananarivo. Ireo mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny solika ireo no nahatonga ireny fikorontanana tamin’ny famatsiana solika tamin'ny herinandro ireny ka nahatonga ny Ministeran'ny Angovo nandray ny fepetra, araka ny fanazavan’ny minisitra.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 52