Befotaka Nord: Nisahotaka ny vahoaka nahita vazaha vao tonga

  • mercredi, 25 mars 2020 10:37
  • Sary nomena

Nisahotaka ny mponina taty amin'ny Kaominina Befotaka-Nord ny sabotsy 21 mars lasa teo nahita vazaha naka sary sy nivezivezy, ka izay tanàna nandehanany dia nandroaka azy avokoa. Niditra antsehatra ny mpitandro filaminana iarovana ny ainy sy ny tsy hitaran'ny korontana aty an-toerana.

Nosamborina tao amin'ny Fokontany Antsahafaly, Kaominina ambanivohitra Befotaka izy ary dia notazononina amin'ny Poste Zandarimaria Befotaka-Nord.

Nantsoina ireo mpitsabo, fa tsy nahitana tranga mampiahiahy ny fahasalamany, nefa kosa niantso ny lehibe ireo mpitsabo aty an-toerana, dia nilaza ny tany fa tazomy ao ihany aloha ilay vazaha. Tsy nilamina ny tanàna satria ny olona tsy nandry ny saina, ireo mpitandro ny filaminana ihany koa, na ny Polisy na ny Zandary dia mba manahy ny fahasalamany satria na takom-bava aza tsy misy.

Raha ny taratasy teny aminy dia tonga teto Madagasikara izy ny 11 mars 2020, avy any Kenya, ary ny 18 mars no nigadona teto Antsohihy, dia maka sary aty ambanivohitry ny Kaominina Befotaka-Nord izy.

Tonga taty Befotaka-Nord ny talata 25 marsa ny chef de centre de surveillance biologique de référence (CSD-R) nanao prélèvement an'i Delmas Joseph Anthony, ka afaka 72ora vao mivoaka ny valin'ny fitiliana, ka raha hita porofo fa misy ny aretina izy dia atoka-monina sy araha-maso avokoa ny mpitandro filaminana sy ireo nifandray taminy rehetra.

Nefa efa feno 15 andro androany alarobia 25 marsa no nahatongavany teto Madagasikara, dia navela nandeha i Delmas Joseph Anthony, fa iandrasana ihany anefa ny valin'ny fitiliana izay tokony ho azo rahampitso.

Niakatra any Antananarivo avy hatrany ity tera-tany frantsay ity.

21 taona i Delmas Joseph Anthony, teraka tany Avignon Frantsa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.