Alasora: Nalevin’ny vady aman-janany tao an-trano ilay raim-pianakaviana

  • lundi, 17 février 2020 22:11
  • Sary nindramina

Ny zanany lahy, tsy dia salama saina, tonga tao amin’ny Fokontany Ankafy, Kaominina Alasora, Antananarivo Avaradrano nangataka ny hamafana ny anaran’ny rainy amin’ny rejisitry ny Fokontany no nampiahiahy ny Sefo Fokontany, satria tsy nisy filazana fahafatesana nandalo teo aminy.

Nampandre ny Polisy avy hatrany ity farany ary dia nanokatra fanadihadiana ireto farany taorian’ny fitsirihana natao. Nampanantsoina nanaovana famotorana ny vady aman-janak’ilay raim-pianakaviana, tamin’izay no nibaradaka iretsy voalohany fa maty tamin’ny alarobia ilay rangahy ary nalevin’izy ireo ao anaty trano ipetrahan’izy ireo ihany.

Nofongarina ny razana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.